Nanambara ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra fa efa miasa ny laharana 812 ahafahan’ireo mpanjifa mitondra ny fitarainany manoloana ny mety ho endrim-panarararaotana ataon’ireo mpivarotra ny entana fampiasa andavanandron’ny mponina.
Tsy ho maimaimpoana ny fampiasana ny laharana 812 fa hisy ny sarany 100 Ar isaky ny antso atao. Misokatra ny alatsinainy hatramin’ny sabotsy ity laharana ity. Maro amin’ireo mpivarotra, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra no manararaotra amin’ny fampiakarana vidin’entana. Notsihiavin’izy ireo ihany koa fa misy ny sazy toy ny fandoavana lamandy hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary sy ny mety ho fanakatonana tanteraka ny toeram-pivarotana izay tratra mampiakatra ny vidin’entana amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Ezaka iray ahafahana mitondra fanatsarana eo amin’ny sehatry ny fanjifana eto Madagasikara ny nametrahana ny laharana 812 araka ny fahitan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Entanina, araka izany, ny isam-baravarana tsy hisalasala hampiasa ny laharana 812 raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy endrim-panarararaotana mety ho hataon’ireo mpivarotra entana fampiasa andavanandro.
