LALAO ARA-PANATANJAHAN-TENA “SOS SOKAKE CUP 2025” : Hotanterahana eny Mahamasina ny andiany fahatelo

Hotanterahana eny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ny 4 sy ny 5 aogositra 2025, ny andiany fahatelo amin’ny “Sos Sokake Cup 2025”. Izy io izay hetsika ara-panatanjahantena sy ekolojika iray entina hanasongadinana ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara. Hetsika iray ihany koa entina hanentanana ny olom-pirenena tsy ankanavaka mba hanamafy ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny sokatra indrindra fa ny fanajana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary eto amintsika.

Endrika hanentanana ny tsirairay amin’izany fitantanana ny faritra arovana indrindra fa ny natiora izany ny fifaninanana tononkalo sy ny fifanakalozana traikefa ary fahaiza-manao. Eo ihany koa ny fifampizarana an-databatra boribory momba ny fitantanana ny faritra arovana indrindra fa ny natiora. Hisy ihany koa ny kilalao maro samihafa eny amin’ny tranohevan’ireo mpisehatra eo amin’izay fanasongadinana ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara izay. Hampirantiana an-tsary mandritra ireo roa andro ireo ireo sokatra mampiavaka an’i Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’ireo rehetra ireo ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena baolina kitra ho an’ny tanora “U15” eo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy.

Handray anjara amin’izany fifaninanana ara-panatanjahan-tena baolina kitra izany ny sokajy vehivavy misy ekipa enina. Ekipa efatra ho an’ny sokajy lehilahy. Izy io izay ahitana ekipa vahiny “Club de Hienghène Sports – section Footbal Dayu Biik” avy any Nouvelle Caledonie. Ity fifaninanana ara-panatanjahan-tena baolina kitra ity araka izany no hanompanana ny fanentanana ny rehetra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Antony nanatontosana ny hetsika mba hiadiana amin’ireo tambajotra mpanondrana sokatra. Ny sokatra izay biby sarobidy atahorana ho lany tamingana ka tsy azo aondrana.

Vous aimerez aussi