LEHIBEN’NY TSENAN’ANDRAVOAHANGY : Tsy maintsy atao ny fandaminana sy ny fanatsarana ny tsena

Araka ny “Arrêté municipal” N° 635 CUA/CAB.19 voarain’ny lehiben’ny tsenan’Andravoahangy, atoa Rakotondrafara Eric Augustin, dia tsy maintsy miditra amin’ny fandaminana ny tsena ary ny fanatsarana izany ny tenany. Nambaran’ny lehiben’ny tsena, fa niainga tamin’ny fangatahana nataon’ny fikambanan’ny mpivarotra “Etami” na Etal Miray ny fanamboarana ny tsena, ka nananganan’ity tompon’andraikitra ity fotodrafitr’asa. Ireo mpivaro-kena sy mpivarotra trondro ihany no mifindra ao amin’ny trano biriky namboarin’ny lehiben’ny tsena. Raha ny marina, dia tokony ireo mpivarotra voankazo sy legioma andavanandro ireo ihany no mahazo mivarotra eo amin’ny “étal”, fa tsy ireo mpivaro-damba isaka ny alarobia ihany, izay efa tsy ara-dalàna, nefa izy ireo no mivoy korontana. Tsy manaiky ny fandaminana ataon’ny lehiben’ny tsena izy ireo, mba hampidirina azy ireo mba hanara-dalàna. Nohamafisin’ny lehiben’ny tsena, fa mbola tsy naka vola tamin’ireo mpivarotra ny tenany na ariary aza. Ho hatsaraina ihany koa ireo tsena eny amin’ny Csb II Andravoahangy. Ankoatra izay hanadio ny lakan-dranon’Andriantany sy eny Andravoahangy ny Agetipa sy ny lehiben’ny tsena ary ireo mpiara miombon’antoka.

Vous aimerez aussi