« LEHILAHY MAHERY » : Tontosa ny « Joro be », mitohy ireo asa fanasoavana ny Mpiara-belona

Tontosa ny Alahady 15 desambra dila teo iny ny fanatanterahana ny « Joro be » tamin’ny alalan’ny Famonoana omby notarihan’ny Lehilahy mahery » narahana « Fisaikana » na fidiovana ary fitsaboana sy famahana ny olan’ireo Olombelona isam-batan’olona maro be tonga tetsy Namontana Anosibe, toerana fandraisan’olona ho an’ny « Lehilahy mahery ». Ity farany izay misehatra amin’ny fitsaboana miaraka amin’ireo « Zava-manakasina » ho amin’ny fikatsahana ireo mahasoa ny fiainan-janak’Olombelona. Marihana fa atao ny hetsika tahaka izao rehefa misy ireo « Taiza » nahazo fahasoavana na fanambinana ombam-pahombiazana lehibe noho ny fahaiza-manao ananan’ny « Lehilahy mahery » izay miara-miasa akaiky amin’ireo « Zava-manakasina » Tamin’ity indray mitoraka ity dia « Taiza » avy any am-pita « Dilambato » no nisitraka izany.

Azo ambara, araka izany, fa tanteraka ara-bakiteny tokoa ny nambaran’ny « Lehilahy mahery » ombieny ombieny fa ampiasaina ho amin’ny fanasoavana ireo mpiara-belona mila izany toy ny sehatry ny fikatsahana harena, vady, fahasalamana, asa fivelomana maharitra sy mahavelona, sns ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ireo « Zava-manakasina » narahana fianarana manokana eo amin’ny fampiasana ny karatra izay ananany. Marihana fa nahazoana alalana teny anivon’ny Fokontany Namontana ary natrehan’ny mpitandro ny filaminana ny fanatanterahana ny hetsika ny Alahady lasa teo. Ankoatra ireo nasaina manokana nanatrika ny fizotry ny fotoana rehetra dia tsy hadinon’ny « Lehilahy mahery » sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ny nanolotra ny « Nofon-kena mitam-pihavanana tamin’ireo mpiara-belona aminy eny Namontana, tamin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo.

Raha fintinina, mifototra amin’ny famahana ireo olana ara-pitiavana, fiharin-karena mihisatra, ody ratsy sy ny fananganan-javatra tahaka ny faniriana hanana zaza, trano, sns ary ny lafiny fiarovana amin’ireo mety hisompatra sy hialona ny fomba fiasan’ny « Lehilahy mahery » etsy Namontana Anosibe miaraka amin’ireo « Zava-manankasina ». Ireo rehetra ireo izay ahafahana manampy ireo Mpiara-belona tsy ankanavaka mba hanana fiainana milamina lavitry ny tsy fahombiazana rehefa mifototra amin’ny asa ataony ny tsirairay. Maro ireo efa nahita fahombiazana tsy teto an-tanindrazana ihany fa hatrany am-pitan-dranomasina. Marihana fa afaka manatanteraka ny fitsaboana amin’ny alalan’ny sikidy ampitain-davitra « à distance » ihany koa i « Lehilahy mahery ».

Vous aimerez aussi