LISI-PIFIDIANANA : Tsy maintsy faranana tanteraka ny 15 mey izao

Na dia tafiditra ao anatin’ny fihibohana aza izao dia ny “service minimum”no mandray ny andraikiny eo anivon’ny vaomiera mahaleo-tena misahana ny fifidianana na Ceni. Asa roa no sahaniny nandritra izay vanim-potoana manokana izay. Voalohany, taorian`ny 28 febroary lasa teo dia nalefa teny anivon` ireo fokontany ny lisitry ny mpifidy izay nofaranana vonjimaika. Nahafahan`ireo olom-pirenena nanao fitarainana sy fanamarinana ny anarana izany. Tao koa ny fanarahana maso an`ireo anarana miverin-droa. Ny 30 martsa teo no nifarana izay asa izay.

Ny asa faharoa dia ny fanitsiana an`ireo antontan-kevitra voaray isaky ny fokontany, ny karapanondro mitovy, anaran`ny mpifidy, anaran` ireo ray aman-dreny, adiresy…. Natao izany rehetra izany sao misy fahadisoana, hoy Hervé Andriamanantsoa, filoha lefitry ny Ceni. Misy andraikitra tsy maintsy sahanin`ny Ceni voalazan`ny didy aman-dalàna toy ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Misy ny fandaminana mba ahafahana manatontosa ny lisitry ny mpifidy.

Nisy asa maro nampiandraiketina ireo rantsa-mangaikan`ny Ceni amin`ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izay tsy maintsy faranana ny 15 mey izao, hoy hatrany ny fanazavany. Tsy azo odian-tsy hita ny fahabangan-toerana filoha lefitra izay efa nambaran`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na Hcc ihany koa. Efa nisy ny taratasy nalefa tany amin`ny Filohan` ny Antenimierampirenena mba hifidianan`izy ireo izay hameno io toerana banga io. Andraikitry ny Antenimierampirenena no mijery ny fomba hametrahana izany, hoy hatrany ny fanazavana.

Vous aimerez aussi