LÔLA - 20 TAONA NIHIRANA : Hanolotra ny « Tiako loatra Ianao »

Lôla, mpanakanto malagasy miavaka amin’ilay fananana feo avo rakotra angola sy ny tononkira mirona betsaka amin’ny fiventesana an-dRafitiavana narindra amin’ny gadona milamina sy mihetsika. Feno 20 taona katroka no niakarany an-tsehatra. Hisy ny seho lehibe, hoentina manamarika izany.

Fiarahan’ny samy kalaza

Ny tolakandron’ny sabotsy 28 martsa ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, no hanoloran’I Lôla, ilay seho “Tiako loatra Ianao”. Hampiavaka ny fampisehoana ny fandraisan’anjaran’ireo mpanakanto manana ny lazany manokana amin’ny fananana feo manga. Anisan’izany i Melky, Denise, Dô Rajhonson, Nate tex, Farakely, Njakatiana. Hisy ny fampiaraham-peo eo amin’I Lôla sy ireo mpanakanto nasaina manokana mandritra ny fiarahana. “Handrafitra ny fandaharan-kira eny an-toerana ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy tao anatin’izay 20 taona nivoizako ny mozika sy ny hira izay”, hoy i Lôla.

Ezahana ny hanomezana aina bebe kokoa ny tononkira amin’ny alalan’ny fampiasana ireo haingon-tsehatra, jiro sy hazavana ary ny fihetsika rehetra eny an-tsehatra, mandritra ny “Tiako loatra Ianao”, hoy ny mpikarakara. Ho heniky ny feo manga feno angola ary ho vonton’ny hafatra mafonja anatin’ireo tononkiran’I Lôla, araka izany, ireo hihazo ny Lapan’ny Fanatanjahatena, ny 28 martsa izao. Hianoka ny kanto sady hianjaika ny meva e !!!

Vous aimerez aussi