MAEVATANANA : Distrika 3 nahazo Emmetteur sy biraon’ny polisy sy miaramila

Nisaotra manokana ny fitondram-panjakana izay, tarihin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina ny prefen’i Maevatanana, fa namaly ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Distrika 3 no nahazo Emmetteur avy tamin’ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera, ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrafy, dia ny distrikan’i Kandreho, Tsaratanana ary Maevatanana. Raha nanao tatitra sy fangatahana tany amin’ny ramatoa ministra ny prefen’i Maevatanana, atoa Bazezy Clavelah Vanombe, dia namaly avy hatrany izy, ka vita soamatsara ny fanavaozana ny Emmeteur an’ny RNM sy TVM tao Kandreho sy Tsaratanana ary afaka manaraka vaovao ny vahoaka any an-toerana. Nahazo Emmeteur vaovao ihany koa ny RNM sy TVM ao amin’ny distrikan’i Maevatanana ary mandeha tsara ankehitriny. Nankasitraka ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina ny prefe. Ankoatra izay dia nankasitraka ny Filohampirenena Andry Rajoelina ihany koa ny prefe, fa nahazo fotondrafitr’asa ho an’ny mpitandro ny filaminana ny distrikan’i Maevatanana. Voalazan’ny prefe fa ny tsy fandriampahalemana no nampikaikaika ny vahoaka. Ankehitriny dia vita ny fotodrafitr’asa. Tao ireo nandraisana ireo miaramila tao amin’ny kaominina Maeva II, ao amin’ny distrikan’i Maevatanana sy ny kaominina Bekapaika ao amin’ny distrikan’i Tsaratanana. Tsara ho marihana fa ny polisim-pirenena dia nahazo trano manara-penitra izay hatao birao ao amin’ny prefektioran’i Maevatanana. Eo ihany koa ny fanamboarana ny biraon’ny kaominina manara-penitra ao amin’ny kaominina Urbaine Maevatanana. Eo andala-pamitana azy ankehitriny ny prefe sy ireo orinasa ary ny tompon’andrikitra any an-toerana.

Vous aimerez aussi