MAHAMASINA : Mibanaka ny fivarotana toaka gasy

Tsy misy tahotra intsony na kely aza fa dia amidy antoandro be nanahary izao ny toaka gasy eny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahamasina manodidina ny trano fanaova-mofo iray eny an-toerana. Mahamasina izay ahitana trano fianarana sy fiofanana ho mpampianatra, tobin’ny mpitandro filaminana sns. Tazana manjifa ny toaka gasy avanga amin’ny vidiny Ariary fitonjato ny iray vera eny Mahamasina avokoa ireo sokajin’olona rehetra mifamezivezy eny an-toerana. Tsongaina amin’ireny ireo mpianatra, mpiasa, mpitandro ny filaminana eny amin’ny manodidina.

Fanapotehana mivantana ny taranaka Malagasy izay efa mivaralila tanteraka ny endrin-javatra tahaka izao koa entanina ireo “Tomponandraikitra” isan-tokony mba handray fepetra hentitra manoloana ity tranga ity. Raha tsiahivina anisan’ireo lahadinika handalo eny Tsimbazaza mandritra ny fivorian’ireo solombavambahoaka ny fandinihana ny lalàna momba ny fanalalahana ny fivarotana ny toaka gasy. Ankoatry ny fiparitahan’ny zavamahadomelina toy ny rongony dia efa miseho masoandro etsy sy eroa koa izany izao ny varotra toaka gasy. Mizotra mankaiza ianao ry fireneko ? Toa inian’ny sasany potehana ny fiarahamonina misy antsika mba hahafahan’izy ireo miliba malalaka amin’ireo harena voajanahary tsy hita noanoa eto Madagasikara. Tongava saina ry malagasy fa mandady ny trambo. Sanatria ve hifamosavy eto isika samy malagasy ?

Vous aimerez aussi