MARC RAVALOMANANA : Ataovy mazava ilay fanampiana !

Ady iraisana izy ity ary manan-jo ahalala ny fampiasam-bola rehetra momba izany ny vahoaka. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana izany, manoloana ny ady atao amin’ity valanaretina coronavirus atrehin’ny rehetra ity.

Ilaina, hoy izy ny mangarahara ka tokony ho fantatra marina ny toebola enti-manana amin’izany, toy ny ataon’ny firenena maro maneran-tany.

Tokony hisy, noho izany, ny fiaraha-midinika sy fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondrana sy ny Mpanohitra satria ady iombonana izy ity.

Fampielezan-kevitry ny TGV sy ny Fitia

Toa miendrika fampielezan-kevitra tokoa manko ny fahitana ny fanampiana atao amin’ny vahoaka ankehitriny. Mbola voasoritsoritra amin’ireny fanomezana ireny ny hoe ity avy amin’ny fikambanana itsy na fikambanana izaroa.

Ary re matetika amin’izany ny hoe fanampiana manokana avy amin’ny Filoham-pirenena na dia mety hoe volam-panjakana tsotra izao aza ilay izy.

Hita sy re ihany koa ny hoe fanampiana avy amin’ny Fikambanana Fitia izay tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena ihany.

Lasa ny sain’ny mpanara-baovao, noho izany, satria ady amin’ny valanaretina no atrehina ankehitriny kanefa toa miendrika fisehosehoana ny fanolorana ireo fanomezana.

Voalaza fa tsy maintsy aterina eny amin’ny Foibe eny Ivato ihany koa ny fanampiana kanefa ny an’ny sasany mivantana avy hatrany any amin’ny vahoaka.

Ny Fitondrana ihany ve izany no afaka misahana ny fizarana ny fanampiana ?

Vous aimerez aussi