Ankoatra ny fiovan’ny toerana hanatanterahana ny matso hoentina hanamarihana ny faha-60 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovanten’i Madagasikara, etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely. Hampiavaka izany ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Anisan’ny antony nampandraisana anjara azy ireo, hoy ireo avy eo anivon’ny komity mpanomana ny matso ny hanehoana sy hanomezana toky ny vahoaka malagasy fa mbola vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny ady mangotraka atao ankehitriny amin’ny covid-19 eto Madagasikara izy ireo. Misy rahateo ny fiaraha-miasa matotra sy mirindra eo amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana izany.
Nahena ny isan’ireo mpandray anjara, tsy hisy matso any amin’ny faritra
Raha ny fantatra miisa 1 720 ireo avy amin’ny zandary, polisy ary miaramila handray anjara amin’ny fanatanterahana ny matso, eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely. Nahitana fihenana ny isan’ireo handray anjara, hoy ihany ny avy eo amin’ny komity mpanomana ho fitandroana ny fepetra ara-pahasalamana anatin’izao hamehana izao. Fepetra anisan’ny horaisina ny hanatanterahana ny fanadiovana faobe iaraha-misalahy amin’ny polisy, zandary ary ny miaramila etsy Analakely, mialoha ny andron’ny 26 jona, hanatanterahana ny matso.
Marihana fa tsy ho azon’ny besinimaro hatrehana ny fizotry ny matso eny Aalakely ary tsy hisy ihany koa ny fanatanterahana ny matso any amin’ny faritra hafa rehetra ivelan’Antananarivo. Ny matso eny Analakely, araka izany, no hetsika tokana ho an’ny manerana ny Nosy hoenti-manamarika ny faha- 60 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena.
