MINISTRY NY FIZAHAN-TANY SY NY ATT : Tokony tsy hiakatra ny saran-dalana mankany amin’ny faritra

Nanao fidinana tampoka teny amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny karana sy ny Gare Makis Andohatapenaka ny ministry ny fizahan-tany, Joel Randriamandranto sy ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT, ny jeneraly Reribake Jeannot, ny alahady maraina teo. Tokony tsy hampiakatra saran-dalana ireo taksiborosy, hoy izy ireo satria ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izany. Misy ny “cahier des charges” ho an’ireo mpitatitra, ka tokony arahina izay voalaza ao. Tokony ho voasoratra ao anaty “manifold” koa ny anaran’ireo mpandeha ao anaty taksiborosy, mba mora andraisina ny mombamomba azy ireo, raha sanatria, ka mitondra ilay tsimok’aretina “coronavirus”  ny olona iray. Tokony tsy hisy izay fanondrotana ny saran-dalana izay, hoy ireto tompon’andraikitra ireto, fa raha sanatria ka misy izany, dia hisy ny fepetra hentitra sy ny sazy omena ny mpamily sy ny tompon’ny fiara ary miafara amin’ny fisintonana ny “licence” izany, hoy izy ireo.

Toby fiantsonana 6 no voakasik’izany, dia ny Fasan’ny karana, Makis Andohatapenaka, Ampasampito, Antohomadinika, RN1 Anosizato, sns… Tokony tsy hanao “surcharge” koa ireo taksiborosy ireo ary farany dia raisina ny fepetra ho an’ireo fiara fitaterana rehetra mihoa-pefy amin’izao hotahotakin’ny fihanaky ny coronavirus eto amintsika izao, hoy ny fanazavana azo.

Vous aimerez aussi