“MMJ SOCIETY” : Hampisitraka ny “Foire Trano” sy ny “Le Grand Salon de Madagascar”

Ny 1 ka hatramin’ny 4 oktobra 2025, no hikarakaran’ny orinasa “MMJ Society”, any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, ny “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation”. Ity andiany ity izay hotanterahana manoloana ny Gare Soarano. Ny hetsika ara-barotra dia hivalamparan’ireo mpandray anjara maherin’ny 80 isa ary hiandrasana mpitsidika miisa 15.000.

Ireo mpisehatra rehetra amin’ny fananganana sy fanavaozana trano dia ho hita any an-toerana avokoa mandritra ireo efatra andro ireo. Anisan’izany ireo avy ao amin’ny “Service Foncier”, “BTP”, “Metallurgie”, “Matériaux de construction”, “Electricité”, “Habitat”, “Mobilier”, “Aménagement intérieur”, “Décoration”, “Peinture”, “Banque”, “Securité”, “Assurance” sy ny “Energie solaire” ary ny “Jardinage”. Varotra fampirantiana, fihaonana eo amin’ireo samy mpandraharaha, fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ireo samy mpandray anjara, fitadiavana lalam-barotra sy fampisehoana ary fanentanana isan-karazany no hibahan-toerana mandritra ireo fotoana ireo. Ankoatry ny hetsika ara-barotra amin’ny “éd 2025 Foire Trano” izay hotanterahana any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, dia hotanterahana any Toamasina, ihany koa izany, ny 27 ka hatramin’ny 30 oktobra 2025.

Ity “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation” izay karakarain’ny orinasa “MMJ Society” ity dia tafiditra ao anatin’ny “Foire Trano Special Provinces”. Ankoatra ireo dia hikarakara hetsika ara-barotra voalohany antsoina hoe: “Le Grand Salon de Madagascar” ny orinasa “MMJ Society” amin’ity taona ity. Izy io izay hotanterahana ny 4 ka hatramin’ny 7 desambra 2025, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiompana manokana amin’ity hetsika ara-barotra ity ny momba ny “Immobilier” sy ny “Lotissement”. Hasongadina amin’izany ny mahakasika ny tany hahafahana manorina trano fonenana sy ny tontolon’izany sehatra izany. Mpanohana ofisialy ny “Le Grand Salon de Madagascar”, ny orinasa “i-vita”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny orinasa “MMJ Society”.

Vous aimerez aussi