Mompera Flavier Noël Rakotomamonjy, fantatry ny maro amin’ny hoe : Mompera Marc. Pretra avy ao amin’ny Eglise catholique Orthodoxe avy amin’ny Patriarcat d’Antioche et de Jérusalem izy. Ao amin’ny Paroisse Sainte Thérèse de la très Sainte Trinité, Antsirabe Andranonahoatra no misy ny foiben’ny Eglise catholique orthodoxe de Patriarcat d’Antioche et de Jérusalem ho an’ny eto Madagasikara.
Manana fahefana manokana sy fanomezam-pahasoavana noho ny tari-dalan’ny ny fanahy masina ao anatiny ho amin’ny fitsaboana ireo aretina mety hahazo ny vatana amin’ny endriny rehetra i Mompera Marc. Tsongaina amin’izany ny homamiadana, sompatra mety ataon’ny Olombelona mety hitarika tsy fahombiazana eo amin’ny fiainana, taolana tapaka na mioritra, sns. Tsy misaraka amin’izany ihany koa ny fikoloana sy fitaizana ny fanahy sy ny saina ho an’ireo mpiara-belona tojo olana noho ny fitoeran’ny fanahy ratsy ao anatiny (Demony). Ny fananana finoana matanjaka, hoy i Mompera Marc , no antoky ny fahasitranana sy ny fahombiazana ho an’ireo Olombelona tonga mitsabo tena ao aminy. Ny fametrahan-tanana ombam-bavaka sy ny fampiasana ny rano, sira ary ny labozia no fitaovana ampiasainy ho amin’ny fanatanterahana ireo asa fanasoavana ho an’ireo mpiara-belona aminy. Marihana fa izay foy no omen’ireo tonga mitsabo tena, etsy, Manarintsoa Isotry Andavamamba, akaikin’ny Uprim. Ity farany izay trano fandraisan’olona sy fivavahana. « Nomena maimaim-poana dia mizara maimaim-poana » Io no teny filamatra ho an’ny Mompera Flavier Noël Rakotomamonjy. Maro amin’ireo karazan’aretina efa tsy sitran’ny Dokotera no voatsabon’ny Mompera Marc, etsy Manarintsoa Andavamamba.
Marihana fa fony vao teo amin’ny faha dimy taonany i Mompera Marc no efa nahatsapa fa misy fanomezam-pahasoavana ananany eo amin’ny lafiny fitsaboana sy ny fanampiana ireo mpiara-monina aminy. Teo ihany koa no nitsiry sy nivelatra miandalana ny faniriany hanao Relijiozy mba hahafahany manara-dia bebe kokoa ny Tompo. Ny 23 febroary 2025 no nohamasinin’ny Monseigneur Ignace David IV, izay evekan’ny Cameroun sy i Madagasikara ho Mompera i Flavier Noël Rakotomamonjy. Tsy mifidy finoana, sokajin’olona, saranga ny asa fanasoavana ireo mpiara-belona ataon’ny Mompera Marc. Ity farany izay misalotra ny mari-boninahim-pirenena Chevalier sy Officier. Ny 034 15 919 25 no laharan’ny finday hahafahana mifandray mivantana amin’ny Mompera Flavier Noël Rakotomamonjy ho an’ireo mila fitsaboana sy miandrandra fahombiazana eo amin’ny fiainana.
