Raha toa ka heverina fa efa be no vitan’ireo Zokibe teo amin’ny filalaovana ny rap teto Gasikara dia tsy mikely soroka manabe voho ity mozikan’ny tanan-dehibe efa mahazo faka hatrany ambanivolo ity ireo Zandry mahaleo mahalasa ankehitriny.
Anisan’ireny i Goostmeh, tanora vao erotrerony avy any Toamasina miangaly ny Rap. Ny Sabotsy izao, etsy amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, ny tovolahy no hanolotra ampahibemaso amin’ny alalan’ny seho miavaka ilay kapila mangirana « Akon’ny nafenina ». Sanganasa miisa 10 no handrafitra ny « Akon’ny nafenina ».
Mitory fihavanana, firaisankina ary firahalahiana
Miompana betsaka amin’ny fanentanana ny Ambanilanitra manam-panahy hikolo mandrakariva ilay soatoavina sy ny vakomanitra Malagasy toy ny fihavanana, firaisankina, sns … antoka nampirindra ny fiaraha-monina fahagola ny tononkira raiketin’ny « Akon’ny afenina », hoy i Goostmeh. Ity farany izay nikirakira ny mozika rap efa tany amin’ny taona 2011.
Anisan’ny vazo nahafantarana an’i Goostmeh ny « Mahantra very havagna ». mampiavaka azy ilay rima voarindra amin’ny endrika kanto mirakitra hafatra mafonja sahaza ny isam-baravarana. Ho an’ity mpanakanto ity, manabe, manala voly ary mampita hafatra ny mpiangaly ny mozika rap.
Ho avy hanotrona sy hanasina ity fotoana sarobidy loatra ho an’ny mpitia mozika rap ity, eny Antsahavola, ny sabotsy 13 novambra, ity i Liloscarnivor sy Yrist. Izy ireo izay samy hivazo ny sanganasan’ i Goostmeh. Azo jifaina eny an-toerana ihany koa ny kapila « Akon’ny afenina ».
