Raha toa ka ireo lehilahy hatrany no saika mibahana eo amin’ny sehatry ny filalaovana ny mozika mavesatra eto Dago hatramin’izay. Fantatra izao fa nanatevin-daharana ireo Andriambavilanitra malagasy vitsy anisa mivoy ny mozika rock i ERICA. Tanjony ny hanolotra vokatra matihanina sy ny haneho fa tsy mena-mitaha amin’ireo lehilahy ny tovovavy malagasy amin’ny fiangaliana ny mozika mavesatra.
Tovovavy anatin’ny taom-pahatanorana sy fisandratana. Vao tany an-kibon-dreniny izy no efa nampihainoana ny mozika mavesatra. Miangaly ny fitendrena sy ny fihirana ihany koa ny Ray niteraka azy. Tsy hatoro voanjo hadiana eo amin’ny fikirakirana ny mozika, araka izany, ny tovovavy. Ny pop rock no mozika nofidiny hatosaka ho an’ireo mpankafy. Miompana betsaka amin’ny fihirana sy fivetsesana an-dRafitiavana ny tononkiran’i ERICA. Ity farany izay havanana amin’ny famoronana tononkira sy fandrindrana. « Ny pop rock no fototry ny mozika lalaovinay fa mahafehy gadona maroloko hafa ihany koa ireo mpitendry efa matihanina mpiray donakafo amiko », hoy i ERICA.
Raha tsiahivina, ilay vazo « Anjakanao » nojariany tany amin’ny taona 2019, no nahafantaran’ny maro an’i ERICA. Mampiavaka azy ilay feo avo sy matanjaka manaraka ny fenitry ny kanto ary ny fahaizana mameno sy « manome aina » ny sehatra rehefa anatin’ny seho atao. Efa tazana sy heno eny amin’ireo haino aman-jery maro eto an-tanàna koa ankehitriny ny rindran-tsarin’ilay hira vaovao « Aza adinoina aho ». Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ho an’ireo vonona hanabe voho ny mozika rock eto Gasikara i ERICA.


