MPAMILY TAKSIBE SY TAKSIA : Maro no niala maina fa tsy nahazo fanampiana ara-tsakafo sy vola

Nifampitadiavana ireo tompon’andraikitra nizara ny fanampiana tokony ho an’ireo mpamily taksibe sy mpamily taksia, ny talata teo, teo anoloan’ny lapan’ny tanàna Analakely. Nisahotaka ireo mpamily, satria nisy tamin’izy ireo no tonga maraina tamin’ny 6 ora nefa dia niala maina, tsy nahazo fanampiana. Nidanika ny hain’andro fotsiny teo. Nambaran’izy ireo, fa ny fitsinjarana sy ny fizarana ny fanampiana tokony hositrahan’izy ireo no tsy nety, ka nisy ny nahazo ary nisy ny nody maina, nefa mbola lavitra fodiana. Misy no mody any Alasora, Analamahitsy, Fenoarivo, Mandroseza, nefa dia nody tanam-polo fotsiny. Nitady ireo tompon’andraikitra niandraikitra ny fanampiana avy amin’ny filohampirenena ireo mpamily taksibe sy mpamily taksia tonga tetsy Analakely, saingy, tsy hita ny nisy azy ireo. Hatramin’ny 12 ora sy 15 minitra afak’omaly dia mbola nifanazava teo izy ireo amin’ny fomba fitsinjarana ireo fanampiana ireo. Andrasana indray ny mety ho tohin’ny raharaha amin’ity anio ity.

Vous aimerez aussi