MPAMPIANATRA AMIN’NY SEKOLY TSY MIANKINA : Miady irery, mizaka ny tsy eran’ny aina

Toa hadinon-dRafanja « fanjakana » izahay ao anatin’izao fotoan-tsarotra iatrehana ny valanaretina « coronavirus » izao, hoy ireo mpampianatra misehatra eny anivon’ireo sekoly tsy miankina. Tsy mbola nisy hatreto hetsika avy amin’ny fanjakana foibe nentina nanampiana azy ireo.

Maro amin’ireo mpampianatra miasa amin’ireo sekoly tsy miankina no efa tapaka karama tato ho ato. Very fanahy mbola velona, araka izany, izy ireo ny amin’ny fomba entina hiatrehana ny fiainana isanandro vaky.

Tsy vitsy amin’ireo mpitantana ireo sekoly tsy miankina ihany koa no manarararaotra ny toe-draharaha ankehitriny ka manao ny danin’ny kibon’izy ireo amin’ny fomba fitantanana ireo mpampianatra eo ambany fiahiany. Tsy afa manoatra ireo mpampianatra fa kofehy manaram-panjaitra hatrany manoloana izany. Hetahetan’ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny hanolorana azy ireo renivola fa tsy sakafo na entana fampiasa andavanandro raha toa ka hisy ihany ny fanampiana avy amin’ireo tomponandraikitra. Kristianina tsy mandà fanomezana ary raisin’izy ireo an-kafaliana avokoa izay mety ho endrika fanampiana avy amin’ireo malala-tanana.

Vous aimerez aussi