Namela mamy ary nahavita be teto amin’ny teto amin’ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Na dia nindaosin’ny fahafatesana aza izy, dia nambaran’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo na SECES, fa tena nahavita be teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny filoha teo aloha ny Amiraly Ratsiraka ary ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana. Teo ny fahavitany ny oniveriste manerana ny faritany 6. Ny fahavitany ny lisea, Ceg ary ny Epp manerana ny fivondronana izay lasa distrika ankehitriny. Maro ny zava-bitan’ny filoha teo aloha ary tsy ho hadinoina ireny, hoy ny SECES. Ny fitondrana ankehitriny, izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina, dia miezaka ny mametraka ny dia-tanany amin’ireo fotodrafitr’asa maro manerana ny nosy ary hita-poko hitam-pirenena ny asa fampandrosoana hataon’ny filoha amin’izao fotoana izao, saingy, misy ireo misakana izany fampandrosoana izany. Efa nilaza ny filohampirenena fa taonan’ny asa ity taona ity, koa dia asa ny an’ny filoha ary ny hampandroso ny firenena ny tanjony ankehitriny, fa tsy kabary fotsiny, fa arahin’asa.


