Randrianarisoa Dinah, fantatra amin’ilay hoe : MC Dinah,eo anivon’ny tontolon’ny hira sy ny fitendrena gitara ary ny famoronana. Andriambavilanitra nanomboka liana momba ny fikirakirana ny mozika ka tapa-kevitra nandalina ny fomba fitendry ny gitara, ny taona 2016. Nanomboka teo amin’io taona ihany no nifoha ny « aingam-pamoronana » tao anatin’i MC Dinah ka nahafahany nanajary ny tsanganasany voalohany « Let’s sing together ». Ity hira ity izay noforonin-dRandrianarisoa Dinah tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo rindram-peo « accord » vitsivitsy hany mbola voafehiny amin’ny fitendrena gitara tamin’ny taona 2016.Azo ambara ho nitombo andalana toy ny Dian’Andriana ny fahaiza-manaon’ity mpanakanto andriambavilanitra ity noho ny fifampikasohana naharitra tamin’ireo mpanakanto hafa manana ny toerany toa an’i Fy Rasolofoniaina, Eddie Rakotondrazay, Masnad sy ireo maro hafa.
Niara-dalana tamin’ny fanaovana mozika ho an’i MC Dinah ny fikarakarana hetsika ara-kolontsaina manodidina ny hira sy ny mozika. Ampahany amin’ireny ny « Let’s sing together » izay efa nisy andiany roa nifanesy, ny « Ataovy sérieux sy ny « Izay Ianao zay » Nisy fotoana nakan-dRandrianarisoa Dinah bahana teo amin’ny lafiny mozika. Ny taona 2019 rehefa niorim-ponenana any Toamasina izy no nahatsapa fa tsy hay vonoina na kosehana ny fankafizany lalina ny kanto an-kira sy ny fitendrena gitara ao anatiny. Maro amin’ireo mpanakanto any Toamasina sy mpikarakara lanonana matihanina no nifanjohy hatrany taminy ka nahafahany nampitombo hatrany ny fahaiza-manaony sy ny haizatra eo amin’ny tontolon’ny mozika. Rehefa nigadona ny taona 2020 nanapa-kevitra ny hizara miandalana ny talentany tamin’ny alalan’ny fanaovana seho teny anivon’ny toeram-pisakafoana sy tany an-tokantranon’ireo olontsotra liana amin’ny kanto voiziny i MC Dinah. Tazana sy heno eny anivon’ireo tambazotran-tserasera maro ihany koa ankehitriny ireo vazony. Manodidina ny dimy ambiny folo mahery ireo tsanganasany ankehitriny. Andalana amin’ny fandraisam-peo azy ireo ankehitriny ny tovovavy. Nampanantena i MC Dinah fa tsy midika fandaozany tanteraka ny sehatra akory ny fahanginana tato ho ato fa mbola vonona hatrany izy ny hampianjaika ny meva sy hampisalotra ny kanto amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta avy amin-Janahary ao anatiny.
