MPANAKANTO « NAST’EM » : Vonona ny hiroso lalina amin’ny Mozika

Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, Zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Ny taona 2021 no efa nitrandraka sy nikirakira ny kanto an-kira sy mozika i Nast’em. Ny fiangaliana ny mozika rap no niatombohany. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokakantony eo amin’ny sehatry ny mozika ny tovolahy.

Ankoatry ny fihirana, manan-talenta amin’ny famoronana tononkira ihany koa i Nasandratra Eric Manana. Mirakitra fanabeazana ary fampitana hafatr’ireo mpiara-belona hatrany ny tononkiran’i Nast’em. Tendrena avokoa ireo feonkira entin’ity mpanakanto ity mandravaka ireo tsanganasany. «Ny hahafahana mampisy « aina » bebe kokoa ireo hira sy mampisongadina ilay « fanahy » raiketiny no antony », hoy i « Nast’em » Feo voajanahary tsy nasiana fanitsiana be loatra tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fivoaran’ny teknolojian’ny fikirakirana ny feo no entin’i Nast’em misedra ireo mpankafy azy.

Ilay vazo « Miverena » miventy sy mivetso ny endrim-pitiavana eo amin’olon-droa tojo olana noho ny lafiny maro. Io no nentin’ity mpanakanto ity nambaboana ny fankafizan’ny maro. Nomarihan’i Solohery, tompon’andraikitry ny Trano fandraisam-peo « Solohery », etsy Itaosy, mpiara-miasa akaiky amin’i Nast’em fa manan-talenta ity tovolahy ity ary azo inoana fa hanana ny hoaviny mamiratra izy noho ny fitiavany ny mozika sy ny fahavononany ary ny fahamatorana ananany. Nampanantena rahateo i Nasandratra Eric Manana fa vonona ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva hatrany ho an’ireo mpankafy ny taokantony. Hivelatra amin-gadona maroloko atsy ho atsy ny tarika ho fanomezana fahafaham-po ny sokajin-taona rehetra. Vina lehibe ny hiakarany an-tsehatra ho an’ny taona 2025. Roso ny dia !!!

Vous aimerez aussi