MPANAKANTO NAW-LIE : Mivoy mozika mihetsika

Mirona amin’ny fivoizana ny gadon-kira mihetsika nentim-paharazana Malagasy toy ny salegy, malesa novesarana zavamaneno mavesatra mba hanaraka vanimpotoana I Naw-lie. Milalao sy miangaly ny hira mihetsika avy any ivelany toy ny “afro beat” ihany koa izy. Mpanakanto andriambavilanitra miavaka amin’ny fananana feomanga sy matanjaka. Mahafehy ny bankira milamina ihany koa anefa ny tovovavy.

Mampiavaka an’I Naw-lie ny fananany tononkira mirakitra hafatra sahaza ny isam-batan’olona ary novokarina sy notakarina avy amin’ireo trangam-piainana nisy. Nomarihan’I Yarmid, avy ao amin’ny “Lafovidy prod” izay “Manager” n’ity mpanakanto ity rahateo fa antom-pisian’ny mpanakanto, ankoatry ny fizarana fahafinaretana ny fisakelehana ny fanabeazana amin’ny alalan’ny mozika sy ny hira ary dihy. Nohamafisin’I Naw-lie fa manome hasina hatrany ny vakodrazana malagasy isam-paritra izy ary miezaka ny hametraka amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy. Ampahany amin’ireo sanganasany efa be mpankafy ny “Zah matoky anao”, “Ankilanao”, “Tsy pare”. Manohy hatrany ny fitetezam-paritra sy ny fanajariana rindran-tsary ankehitriny izy 14 mianadahy mandrafitra ny tarika. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mpiray tampo I Naw-lie sy I Khelene. Izy mirahavavy izay samy manana ny hanitra ho azy eo amin’ny fiangaliana ny mozika sy ny hira ary ny dihy.

Vous aimerez aussi