
« Efa toy ny ra mikoriana ato anatiko ny mozika », hoy i Hanitra Sendia Marie, mitondra ny solon’anarana hoe : « Sendie » ao an-kianjaben’ny hira sy ny mozika. Mpanakanto miezaka hatrany ny hiditra miandalana anatin’ny sehatra maha matihanina. Azo ambara ho tsy atoro voanjo hadiana intsony amin’ny fikirakirana ny mozika i « Sendie ». Nomarihany fa ny Dadabeny no efa niangaly sy nankafy ary nisakaiza akaiky tamin’ny mozika nandritra ny andro rehetra niainany.
Milalao gadona maroloko i « Sendie ». Singanina amin’izany ny Sega, salegy, reggae, zouk love, slow sns. Tanjona ho azy rahateo ny hizara fialam-boly sy endrim-panabeazana amin’ny alalan’ny tononkira ho an’ny sokajin’olona tsy ankanavaka miaina ambany masoandro. Tsy manonofy i « Sendie » rehefa mamorona ireo tononkirany fa miainga avy amin’ireo trangam-piaraha-monina andavanandro. Ny fivazoana sy fanasongadinana ireo « Soatoavina malagasy » toy ny « Fihavanana », ny « Firaisankina » izay tokony iverenana iainana sy ampanjakana ankehitriny indray mba hirindran’ny fiarahamonina no vontoatin’ny tononkiran’i « Sendie » amin’ny ankapobeny. Ampahany amin’ireo sanganasa efa vita rindran-tsary ny « Hetsiketsika » izay efa be mpankafy tokoa. Tsy mitsahatra ny mandalina ny teknika fototra takian’ny fanaovana mozika i « Sendie ». Anisan’ireny ny famolahana ny feo. Miroso miandalana hiazo ny sehatra maha matihanina, araka izany, ity mpanakanto sady mpanao fanatanjahatena ity.
Vinanasa atrehin’izy 9 miananadahy mandrafitra ny tarika ankehitriny ny fiketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany. Malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto sy mpikarakara hetsika ara-kolontsaina i Hanitra Sendia Marie ho fanabeazam-boho ny hira sy ny mozika malagasy.
