MPANAKANTO « TSILAVINA DU SUD » : Milalao gadona maroloko

“Tsilavina du sud”, miavaka amin’ilay feo feno angola sy kanto.

Luciano Frederic no tena anarany fa mitondra ny solon’anarana hoe ; “Tsilavina du sud” nyu tovolahy eo amin’ny fiangaliana ny hira sy ny mozika. Ny taona 2010 no niorina ny tarika. Mampiavaka azy ireo ny talenta nampiana fandalinana eo amin’ny lafiny fifehezana ireo gadon-kira misy eto ambany masoandro. Tsy maintsy nirosoana izany, hoy I Tsilavina du sud mba ahafahana manaparitaka ami’ny sokajin’olona rehetra tsy ankanavaka ny kanto voizinay.

Ampahany amin’ireo bankira voafehin’ity tarika ity ny “salegy”, “afro beat”, “slow”, “zouk love”,  sns. Tanjona ho an’I Tsilavina du sud nyu hitondra avo ny fanevan’ny hira sy ny mzoika Malagasy. Sanganasa efa eo am-bavan’ny daholobe ny “Omeo lala”, “Patfaite”, “Zaho tsy hiala”. Ny fiainana andavandro hatrany toy ny fitiavana, firaisankina, fihavanana, sns no vazoin’I “Tsilavina du sud” mba hoentina hanabeazana sy hampitana hafatra amin’ny endrika kanto ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka. Naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa misokatra malalaka amin’ireo mpikarakara hetsika ara-kolontsaina sy ireo mpanakanto rehetra I “Tsilavina du sud”.

Vous aimerez aussi