MPANDRAHARAHA « AINA SM’ART » : « Avadiho ho vola ny talentanao… »

Ny taona 2016 no nanomboka nankafy ny fakana sary pika i Randriamalala Aviantsoa, fantatry ny maro amin’ilay solonarana hoe : « Aina sm’art ». Nampianan-tena izy ary tsy nitsahatra namelatra ny sehatrasany miandalana taty aoriana raha toa ka ny fakana sary no nanombohany izany. Anisan’ireo teny manentana mandrakariva an-dRandriamalala Aviantsoa ny hoe : « Avadiho ho vola ny talentanao ». Mila manana faharetana sy finoana ombam-bavaka ihany koa ny tsirairay raha te higoka ny fahombiazana. Ho an’i Aina sm’art, fianarana mandrakariva ny fiainana.

Ankehitriny, efa misandrahaka amin’ny sehatrasa maro i « Aina sm’art » sy ny vadiny izay miara-miasa aminy, ary nanangana, ny « SnS Event ». Ity farany izay misehatra amin’ny fandravahana efitrano handraisana lanonana (Mariazy, tsingerin-taona, batemy, sns), fanamafisam-peo, jiro sy hazavana, fikarakarana sakafo, fikirakirana ny sary amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fandrosoana, sns. Manana tolotra feno ho an’ny fikarakarana ny mariazy « Pack mariage de A-Z » ihany koa ny « SnS Event ».

Vinanasa manaraka ho an’i Aina Sm’art ny hitondra ny fomba fandravahana efitrano any Amerika. Nomarihany fa manana aingam-pamoronana tsy mena mitaha amin’ny hafa ny Malagasy ary havanana amin’ny famolahana ireo akora rehetra misy hanjary fitaovana entina hanaingoana efitrano. Hisehatra amin’ny lafiny fizahantany ihany koa ny « SnS Event » amin’ny taona 2025. Tanjona ho amin’ny fanatanterahana izany ny fanomezana fahafam-po feno ireo Mpizahatany sy ho fanamorana ireo dingana rehetra takian’ny fanatanterahana ny fizahantany.

Vous aimerez aussi