« Tsy maintsy misy ny fanenjehana ara-pitsarana azy rehefa vita ny fanadihadiana ka voamarina fa tsy ara-dalàna ireo mpiasam-panjakana ireo ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy, Ramampy Gisèle izany, io maraina io, nandritra ny fandraisana ireo fitaovana informatika hanamafisana ny fanadihadiana mikasika ny mpiasam-panjakana, avy amin’ny Vondrona Eoropeana, tetsy Anosy.
Araka izany, dia mbola mitohy ny fanisana sy ny fampidirana ny anaran’izy ireo ao anaty solosaina, hoy hatrany ny Minisitra, izay nanambara fa mandroso hatrany ny asa ataon’ireo teknisiana amin’ny alalan’ ny fampiasana ny « logiciel AUGURE » eo anivon’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Ministeran’ny Asam-panjakana.
Notsipihiny fa efa tafiditra avokoa ny ankamaroan’ny anarana ary efa am-pamaranana ny asa ny tompon’andraikitra, amin’izao fotoana.
Miandry azy ny Fitsarana
Raha vao olona fantatra fa tsy mpiasam-panjakana dia alana avy hatrany ary tapahana ny karamany, rehefa hita ny fepetra fa olona tsy tokony handray karama izy.
Tsy vitan’izany fa miandry azy amin’izany ny ara-pitsarana sy ara-pifehezana fa tsy misy olona afaka ho azy izany raha misy heloka nataony sy izay zavatra mifanohitra amin’ny fitantanana.
Voalaza moa fa mpiasa miisa hatrany amin’ny 23.437 no matotoa eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana.
Hatsaraina ny fitantanana
Marihina fa hatolotra ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Ministeran’ny Asam-panjakana ireo fitaovana informatika ireo.
Natao izao ho amin’ny fandaminana vaovao sy ny hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana rehetra, indrindra hamantarana ny tena isan’ny mpiasam-panjakana. Tsy mety raha mbola misy ny tsirambina amin’ny fitantanana, indrindra amin’izao taonjaton’ny fandrosoana izao.


