MPISEHATRA EO AMIN’NY TONTOLON’NY FITSABOANA : Namoaka ny andiany « Volamena » ny « In.S.P.N.Mad Paramedical »

Navoakan’ny Sekoly Ambony « In.S.P.N.Mad Paramedical », tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 9 may 2025, teny Vontovorona, ireo mpianatra ao aminy izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana na ny andiany « Volamena ». Izy ireo izay niisa 300 mahery. Ireto tanora mpianatra nahavita ny fianarana momba ny tontolon’ny fitsaboana ireto izay tonga dia afaka miatrika asa avy hatrany. Maro an’isa ankehitriny ireo tanora mpianatra vao avy nahavita fianarana eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana ireo ka tokony ho raisin’ny fitondram-panjakana an-tanana amin’izay ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Antony dia ny mba hanampiana ireo amperin’asa. Tsy ampy ny isan’ireo mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara raha ny amin’izao fotoana izao no jerena. Izany indrindra no mahatonga ny Sekoly Ambony « In.S.P.N.Mad Paramedical » hangataka amin’ny fitondram-panjakana foibe amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba hijery akaiky izany. Ankoatra izay dia tokony hampitaovan’ny fitondram-panjakana ny fianaran’asan’ireo tanora mpianatra ireo eny amin’ireo hopitalim-panjakana eto amintsika mba hahafahan’izy ireo manatanteraka antsakany sy andavany ny asa fitsaboana iantsorohany, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny Vondrona « In.S.P.N.Mad », Razanandrakoto Hillary.

Vous aimerez aussi