Mbola mipetraka foana ilay toe-tsaina tsy mifampitsinjo sy lomorina, fa ny hamotika ny madinika ihany no ao an-tsaina. Misy amin’ireo mpivarotra grosista no manana vary, saingy, tsy mivarotra izany izy, fa ny vary efa misy simba no avoaka amidin’izy ireo. Tsikaritra izany, raha ny zavatra hita tetsy Andravoahangy sy Ambohimanarina ary Isotry. Ireo mpiantsena no nahatsikaritra ireo grosista ireo, fa manana tahirim-bary io tsena io, saingy, tsy mamoaka izany. Raha ny zavatra hita teny an-tsena mantsy, dia nifanarentsaka ireo mpiantsena ny maraina nitady vary ary mbola nilaharana izany ho an’ireo enta-madinika.
Fa ireo grosista kosa tsy namoaka izany. Araka ny fantatra, dia amidin’izy ireo amin’ny vidiny izay tiany ny vary avy eo, nefa ny fitondram-panjakana efa nametra fa mijanona ho 1800 ariary ny kilao ny vary. Misy amin’ireo mpivarotra anefa tsy manaja izay fepetra izay, fa izay tiany ihany no atao.
Efa nilaza ny ministeran’ny varotra, ny alatsinainy teo, fa hijirika sy hanara-maso ireo grosista sy mpaninjara izy ireo, hijerena ny mety ho fiakaran’ny vidin’entana andavanandro, ka hisy ny sazy sy fepetra ho an’ireo tsy manara-dalàna. Tsikaritra ihany koa, rak an 2 3000 ariary ny gony iray tamin’ny saribao, dia nahitana fiakarany 30.000 ariary izany io maraina io. Antony ny tsy fisian’ny fiarabe mitatitra saribao, hoy ireo mpivarotra. Aoka kosa anefa tsy hanararaotra ny mpivarotra, fa mba hifampitsinjo, rak any tenin’ny filohampirenena hatrany.
