MPIVAROTRA AMORON-DALANA : Nozarain’ny filohampirenena mivady sakafo

Ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny Boriboritany voalohany, faharoa ary fahaefatra no nahazo fanampiana avy amin’ny filohampirenena mivady, ny talata teo. Ka teny amin’ny ANS Ampefiloha no natao ny fizarana, izay nahitana vary, menaka, voamaina, savony, sns. Nilaza ny filohampirenena, fa “tsy irery ianareo, fa eo akainareo foana ny fitondram-panjakana ary mijery izay mahasoa hatrany hatrany ny vahoaka”. Anisan’ny tafiditra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus ireto mpivarotra amoron-dalana ireto, ka tsy navela nanohy ny asa fitadiavany ary izao notsinjivin’ny Filoha izao tamin’ny alalan’ny famatsiana sakafo ho azy ireo. Mbola nanamafy hatrany ny filohampirenena, fa tokony hanaja ireo fepetra rehetra napetraka hatrany ny vahoaka rehetra, mba hisorohana tsy hiparitahan’ity aretina ity eto amintsika.

Vous aimerez aussi