MPIVAROTRA MAMPIAKATRA NY VIDIN’ENTANA : « Aoka tsy hanararaotra, fa mba hifampitsinjo isika », hoy ny Filohampirenena

Aoka tsy hanararaotra amin’ny fampiakarana ny vidin’ny entana eny an-tsena, ireo mpivarotra, hoy ny fanambaran’ny filohampirenena, ny alahady alina lasa teo. Aoka mba hifampitsinjo isika Malagasy, fa tsy hanararaotra ny fisian’ity aretina ity, hoy hatrany ny filoha. Ho hentitra koa ny fanaraha-maso ireo toeram-pivarotana izay mikasa ny hampiakatra ny vidin’entana amin’izao valan’aretina eto amintsika izao. Manomboka anio dia hiparitaka manerana ny fokontany ny vary sy mora. Tsihavina, fa ny sabotsy lasa teo, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha, fa tonga eto amintsika ny aretina coronavirus, dia nanararaotra nampiakatra ny vidin’entana ny mpivarotra rehetra. Ny sakay tany na sakamalaho dia 15 000 ariary ny iray kilao, ny tongolo gasy dia niakatra 20.000 ariary ny kilao, ny voasary makirana dia nahatratra 5000 ary ny kilao. Tsy nahitana tampim-bava teny amin’ny farmasia tamin’io andro io ka hatramin’ny anio fa lany. Nilaharana ihany koa ny fanafody, toa izay koa ny PPN sy ny vary. Mbola nahitana fiakarany koa ny vary io maraina io, toa izay koa ny entana ilaina andavanandro. Aoka izay ny fitiavan-kely sy ny fitiavan-tena, fa andao hifampijery sy hifampitsinjo isika, hoy hatrany ny filohampirenena.

Vous aimerez aussi