NAFARANA AVY ANY IVELANY : Nesorina ny Minisitra Vonjy Andriamanga

Nalana tsy ho isan’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta intsony ny Minisitry ny Angovo sy ny solika ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga, araka ny Filankevitry ny Minisitra natao ny takarivan’ny alarobia teo.

Asa na mifandraika amin’ny fametraham-pialana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH), afak’omaly lasa teo izao fanapahan-kevitra izao na ahoana. Ny  fantatra aloha dia niandoha tamin’ny olana ara-drano nisy tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra, ny fiverenan’ny fahatapahan-jiro diso tafahoatra tao ho ao, ary ny olana ara-tsolika nitranga farany teo no anisan’ny fototry ny olana.

Araka izany dia hisolo toerana vonjimaika ity ministera ianjadian’ny olana samihafa ity ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Christian Ramarolahy.

Minisitra nafarana

Aiza indray izany no hametrahana an’i Vonjy Andriamanga ? Anisan’ny fanontaniana manitikitika ny maro izany satria anisan’ireo minisitra vitsivitsy ao anatin’ny governemanta ankehitriny nafarana avy any ivelany izy. Nitana andraikitra ambony tao Frantsa ka misahana ny angovo sy herinaratra. Asa na noho izany ihany koa no tsy nahafantarany loatra ny olana misy eto amintsika na ahoana. Fa dia nantsoina aloha hanandrana famahana olana eto an-tanindrazana.

Koa asa na hiverina any Frantsa handray ny andraikiny teo aloha i Vonjy Andriamanga na homena toerana hafa ?

Banga ny ministera

Ny fantatra aloha hatreto dia minisitra roa no banga eo amin’ny governemanta malagasy. Ny voalohany moa dia ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, izay kandidà Ben’ny Tanàna.

Asa na hitohy sahady ny fitsarana ireo minisitra sisa na ahoana fa efa ho 10 volana izao no nipetrahan’izy ireo teo ka mety azo hitarafana tsara ny asa vitany izay fotoana izay.

Vous aimerez aussi