« NDAO… ! » : Seho hanana endrika « Tantaram-pitiavana an-kira »

Tovo J’hay sy Nate Tex, mpanakanto mirahalahy samy tompony fa tsy mpindrana amin’ny famoronana hira manambara fitiavana amin’ny endriny marolafy. Sambany no hampiaram-peo izy ireo ao anatin’ilay seho « Ndao… ! » hotanterahana, etsy amin’ny CCESCA Antanimena, ny tolakandron’ny Sabotsy 16 novambra ho avy izao.

Hampiavaka ny « Ndao… ! », hoy ny mpikarakara avy ao amin’ny « Prest’event.mdg » ny nandrindrana ny fandaharan-kira « répertoire » ho kaloin’i Tovo J’hay sy Nate Tex hanana endrika tantaram-pitiavana mahasondriana sy mahafinaritra anatin’ny mozika. Natao izany mba tsy hahamonamonaina ireo mpankafy ary ny fikatsahana mandrakariva ny hanolotra seho miavaka nefa kanto miala amin’ny efa fahita hatramin’izay. Midika izany fa hitety vanimpotoana malalaka nodiavin’ireto mpanakanto ireto ihany koa ireo tsanganasa hifandimby ho heno eny an-tsehatra. Tsy hisy ny fotoana ho very fa hanao tohivakana ny fandaharan-kira. Seho iray hahafahana mihanoka ny hakanton’ny feon’i Tovo J’hay sy Nate Tex ary hahatsapana indray fa havanana amin’ny famoronana hiram-pitiavana izy roalahy ireo indray, araka izany, ny « Ndao… ! » Nampanantena rahateo ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ity fa ho matihanina avokoa ireo pitsopitsony takian’ny endrim-pampisehoana tahaka izao. Singanina amin’ireny ny haingon-tsehatra, fanamafisam-peo ary ny jiro sy hazavana.

Vous aimerez aussi