Mpanao gazety indray no namoy ny ainy. Tsy iza izany fa Olga Rabenirainy tao amin’ny Televiziona Malagasy ary efa nisotro ronono. Anisan’ny mpiasa tena niavaka i Olga satria nitolona mafy ny zon’ny vehivavy izy ary anisan’ny nandray andraikitra tamin’ny fikambanan’ny Mpanao gazety toy ny Holafitra. Nanana ny maha izy azy Olga teo amin’ny fandaharana novokariny tao amin’ny TVM, indrindra fa mikasika ny Vehivavy sy ny ankizy. Tsy dia misy intsony moa ireny ankehitriny.
Namela mamy teo amin’ny mpanao gazety tokoa Olga.
Izahay eto amin’ny AMP dia maneho fiara-miory amin’ny Fianakaviany.
