Nodimandry i Rachidy

Tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesako fa nandao antsika io maraina io Rachidy Mohamed.
Mpiara-miasa akaiky tamiko ary tena nahatoky tamin’ny andraikitra nankinina taminy, ary namana ihany koa izy.
Isan’ireo mpikambana mpanorina ny antoko HVM izy tamin’ny taona 2013, ary nifanolo-tanana sy nifanakalo hevitra tamiko foana momba ny raharaham-pirenena indrindra indrindra.
Isan’ny nampiavaka azy ny fitiavany an’i Madagasikara sy ny malagasy , ary taratra tamin’ireo asa soa nataony ho an’ny mpiara-belona taminy izany.
Vahotra ny tena ary mahatsiaro fahabangana manoloana izao fahalasanany izao.
Izy anefa no lasa fa ny soa niarahana taminy sy ny soa nataony ho an’ny Tanindrazana hitoetra ho fahatsiarovana.
Amin’ny anarako sy ramatoa vadiko ary ny ankohonako, ny antoko HVM no hitondrako ny teny fampaherezana sy fampiononana feno sy tanteraka ho an’ireo zanany sy ny zafiny ary ny fianakaviany manontolo.
Misaotra tamin’ireo vitanao ho an’i Tanindrazana namana Rachidy Mohamed.
Mandria amim-piadanana.

Vous aimerez aussi