Maro amintsika no efa mahafantatra ny olan’ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia izay efa nitoetra teo amin’io nosy io ny razambeny hatramin’ny talohan’ny fanjanahan-tany. Nataon’ny mpitondra fanjakàna « Réserve Foncière Touristique » ny ampahan’ny tany ao. Nisy fifanaraham-panofàna tany mandritry ny 50 taona (« bail emphytéotique ») nifanaovan’ny fanjakàna tamin’ny orinasa Green Mada Land tamin’ny taona 2016 ka nasaina niala ny mponina fa tsy nanaiky. Nofoanan’ny Minisitra nisahana ny Fananantany io fifanaraham-panofàna io taminy 2019. Saingy tsy eken’ny mpitondra fanjakàna amin’izao fotoana izao io fanafoanana io. Ny mponina kosa miray hina miaro ny zony.
Nasain’ny Conseil Communal ao Nosy Be Andriamatoa isany Préfet sy Ben’ny Tanàna ary ny Receveur des Domaines ao an-toerana sy ny solontenan’ny mponin’i Sakatia taminy 14 Mey mba hametrahan’ireo mpanolo-tsaina fanontaniana momba ny raharaha Nosy Sakatia. Tsy tonga namaly ny fanasàna ny Préfet sy ny Ben’ny Tanàna ka nahemotra ho amin’ny 3 jona ny fifanakalozan-kevitra amin’izy ireo fa ny lohahevitra hafa no nodinihina.
Ny 13 Mey dia nandefa taratasy tamin’Andriamatoa Ben’ny tanàna ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena nampita ny fangatahan’ny mponina hiroso amin’ny latabatra boribory (table ronde) izay nifanarahan’izy ireo tamin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna ny alahady faha 13 aprily raha tonga nihaona tamin’ny mponina tany Sakatia io manam-pahefàna io. Nomarihina tao amin’io taratasy io fa manampy sy miaro mafy ny orinasa Green Mada Land hatrany ny tompon’andraikim-panjakàna ka rehefa hanao « table ronde » dia hitondra ireo « experts » heveriny fa ilainy amin’ny fanampiana azy ny mponina ao Nosy Sakatia.
Rehefa nirava ny fivoriana dia nanambara tamin’ny solontenan’ny mponina Andriamatoa Receveur des Domaines avy ao Antsiranana fa ho avy eto Nosy Be ny Filoham-pirenena sy ny Minisitra ny 20 ka hatramin’ny 23 mey. Ny Nosy Sakatia manontolo hoy izy no ho voakasiky ny tetikasa ka tongava ianareo mponina rehetra ao Nosy Sakatia aty amin’ny Biraon’ny Domaines aminy alarobia 21 mey aminy 9 ora hihaona amin’ny olona mpanapa-kevitra farany sy hametraka izay fanontaniana rehetra manitikitika anareo.
Ny tranga niseho mandritr’izany fifanakalozana izany dia ny 13 may hariva sy ny 14 mey maraina, nisy sambo lehibe toy ny « yacht » nipetraka tao avaratr’i Sakatia tao amin’ilay toerana misy ny corail. Mitovitovy amin’ilay « yacht » niantsona tao Nosy Be nitondra ilay mpampiasa vola émirati tamin’ny volana desambra ny bikany. Nisy helikoptera nisidina teo ambonin’io sambo io ny 13 mey hariva sy 14 mey maraina.
Manahirana sy mampitaintaina ny mponina manokana ny tsy fahafantarana ny antony nahatongavana sy nijanonan’ilay sambo sy helikoptera teo.
Koa manantena ny mponina fa hahazo fanazavana feno hahafahany mandinika sy mieritreritra milamina momba izay vahaolana ara-drariny, mitondra fampandrosoana maharitra marina ho an’ny rehetra sady manaja ny zon’olombelona tanteraka.
Nosy Be, faha-20 mey 2025
Ny Rodoben’ny Firaisamonim-pirenena eto amin’ny faritra DIANA

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.