Ny fandravonana ny fakankevitra no vontoatin’ny asan’ireo vaomiera tamin’ity tolakandron’ny andro faharoa ity. Nafana ny dinika teo amin’ireo vaomiera efatra, satria samy naneho ny tahirin-keviny avy ireo manam-pahaizana, ny mpahay tantara, ny mpahay toe-karena ary ny mpahay lalàna iraisam-pirenena.
Harena maro
Hisintona mpizahantany maro ireo nosy ireo satria manankarena haren-dranomasina izy io. Eo ihany koa ireo zava-maniry samihafa azo ahodina ho fanafody hiadiana amin’ny aretina homamiadana.
Ankoatra izany ny harena ambanin’ny tany toy ny solika sy ny entona. Raha akapoka dia mirakitra harena miisa hatramin’ny 170 ny ao amin’ireo nosy ireo.
Ankilan’izany ny harena amin’ny fahafantarana misimisy kokoa ny tantaran’ireo nosy ireo.
Hatolotra ny Filoha
Marihina moa fa rahampitso no hatolotra ny Filoham-pirenena ny fehin-kevitra raiketin’izao fakankevitra izao. Heverina henti-miady sy handresen-dahatra eo amin’ny sehatra ambony kokoa izany fa tsy sanatria hanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena izay efa lasan’olom-bitsy hatrizay.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.