Ny Akamasoa dia endrika iray maneho ny maha-eo an’Andriamanitra eo anivon’ny vahoaka mahantra. Izany no anisan’ny fampaherezana nentin’ny Papa Fransoa ho an’ireo ankizy an’alina tao amin’ny kianjamitafon’i Manantenasoa, omaly tolakandro.
Noderain’ny Papa ny ezaka vitan’ity foibe ity, amin’ny fanampiana ireo sahirana. Azo ambara, hoy izy fa izao no finoana velona miteraka asa mivaingana.
Nisy ny fivoarana tao anatin’ny firaisankina sy ny fandresen-dahatra tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny fianakaviana sahirana, izay notarihan’ny Père Pedro, hoy ihany izy.
Koa izao hita izao ny finoana arahin’asa, satria nisy ny fampijoroana ny asa iombonana, ny fanomezan-danja ny fitsinjovana ny fianakaviana sy ny ankohonana, ka tafaverina tamin’ny laoniny ary tamin’ny fomba tsotra sy tamim-paharetana indray ny fiainan’izy ireo.
Nanbarany ihany koa ny fisian’ny fanabeazana izay nitondran’i Père Pedro ny soatoavina.
Tsy miraviravy tanana
Arak’izany dia nampita hafatra ho an’ny tanora malagasy rehetra ny Papa fa tsy tokony hiraviravy tanana ny tanora manoloana ny voka-dratsin’ny fahantrana ka tsy hanaiky velively ho resin’ny fakam-panahy izay mampihemotra.
Nambarany fa tokony hiara-hivavaka isika rehetra mba hiely manerana an’i Madagasikara sy izao tontolo izao ny famirapiratan’ity fahazavana ity dia ny eto amin’ny Akamasoa izany. Izany dia ho modelim-pampandrosoana manome vahana ny ady amin’ny fahantrana sy ny fanilikilihana ara-tsosialy. Koa ny fahatokisana sy ny fanababeazana ary ny asa sy ny ezaka no fototr’izany.
Nanome fanantenana
Fanomezana fanantenana ny zaza sy ny ankizy ary ireo sahirana ka hananany fiadanana. Izany no nivoitra nandritra iny famangian’ny Papa Fransoa teny amin’ny foiben’ny Akamasoa eny Ambohimahitsy iny.
Nisy ihany koa ny famangiana nataon’ny Papa ireo fianakaviana maro, izay mivelona amin’ny asa famakiana vato eo Bemahatazana, ka nanomezany tsodrano azy ireo.
Hery lehibe ho an’ny Foibe Akamasoa, ka ahazoany mampitombo ny ezaka iadiana amin’ny fahantrana sy ny fanilikilihana ny sahirana izao fitsidihan’ny Papa izao, hoy i Père Pedro, izay mpanorina ity Foibe Akamasoa ity.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

