OLONA MANANA TOE-TENA VARIRA : Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tahotra sy tebiteby

“Faisons valoir nos droits. Protéger notre peau. Préserver nos vies” no lohahevitra nentin’ny fikambanan’ny “Albinos” eto Madagasikara nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho fampahafantarana ny olona manana toe-tena varira, izay nomarihana ny 13 jona. Fanentanana tamin’ny alalan’ny hetsi-panabeazana ny mpiray tanindrazana no nanamarihan’ny fikambanana izany fankalazana izany, teny Analakely, tamin’io fotoana io.

Ireo olona manana toe-tena varira izay nanamafy ity hetsi-panabeazana ity mba ho tafapaka tanteraka eny anivon’ny fiaraha-monina. Antony dia satria mbola mitohy hatrany ny finoanoam-poana izay voizin’ny olona fa manana harena miafina ny olona manana toe-tena varira. Izany indrindra no mampirongatra ny maro hanao sorona ireo olona manana toe-tena varira eto amintsika. Manaporofo izany ny trangam-pahafatesan’ny olona manana toe-tena varira niisa roa tamin’ny fiandohan’ity taona ity.

Nanomboka tamin’ity taona 2025 ity ka hatramin’izao dia olona manana toe-tena varira miisa 8 no niharan’ny herisetra teto Madagasikara. Ireo olona mpanao sorona izay misy tambajotra ireo izay ilaina fandraisana andraikitra sy fepetra hentitra.

Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny tahotra sy ny tebiteby ny olona manana toe-batana varira sy ny fianakavian’izy ireo. Izany indrindra no hanentanan’ny fikambanan’ny “Albinos” Madagasikara ireo loholona mba handany ilay tolo-dalàna nasiam-panitsiana izay efa lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Io tolo-dalàna io izay hanova zavatra maro raha lany eny Anosy. Anisan’ireo  niady mafy mba hahalanian’io lalàna mijery manokana ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara io, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Betroka, Randrianasolo Nicolas, arak any fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny “Albinos” Madagasikara, Soja Fulgence.

Vous aimerez aussi