Hiroso amin’ny fametrahana ny kaontera misaina (na ny compteur intelligent) ny orinasa Jirama, mialoha ny volana mey ho avy izao. Izany dia mba hialana amin’ny filaharana fandoavana faktiora sy ny fanapahan-jiro ary indrindra koa ny halatra sy ny hosoka.
Fahana no hovidian’ny mpanjifa ka rehefa lany izany dia ho tapaka ho azy koa ny herinan’aratra ao an-tokantranony. Tsy hisy intsony, noho izany, ny faktiora ho tonga eny amin’ny mpanjifa.
Ny orinasa ejyptiana Egyptiana Elsewedy Electric no hamatsy antsika ireo kaontera ireo ety am-boalohany. Hisy kosa ny orinasa hatsangana mba hanamboatra sy hamokatra izany eto an-toerana aoriana ao, noho ny hamaroan’ny tokantrano mpanjifa izany eto amintsika.
Natao izany mba ho fampanana asa ny tanora Malagasy indrindra koa.
