ORINASA “LFL MADAGASCAR” : Namokatra ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ”

Anisan’ireo nibahan-toerana tamin’ilay “Tsenabe Fivoarana” andiany faharoa izay notontosaina, teny Imerintsiatosika, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana akohogasy nohatsaraina sy ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ” izay niarahana tamin’ny orinasa “LFL Madagascar”. Ankoatra izay dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ihany koa, ny vokatra vaovao provandy “KÔMBÔ”.

Ny orinasa “LFL Madagascar” izay miezaka hatrany ny mampisitraka tombontsoa maro azo avy amin’ny fiompiana akoho mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mihinana akoho. Io tahan’ny fanjifan’ny Malagasy akoho io izay tena mbola tsy ambany tanteraka hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy mihinana afa-tsy akoho 2 kg isan’olona isan-taona mantsy ny Malagasy raha tokony hihoatra io fatra io no tokony hohanina. Ny atsy amin’ny Nosy Maurice manokana dia mahatratra 40 Kg isan-taona isan’olona izany fihinanana akoho izany. Mba hahafahan’ny Malagasy tsirairay mameno io tsy fahampiana io no antony nahatonga ny orinasa “LFL Madagascar” hamokatra provandy sy zanak’akoho vaovao be izay antsoina hoe: “KÔMBÔ”. Tanjona ny mba hahafahan’ny Malagasy mampitombo ny tahan’ny fihinanan’izy ireo akoho na eo aza ny fahasarotan’ny fiainana.

Manatody 150 ka 180 isa  ny akohovavy iray amin’ity karazana “KÔMBÔ” ity rehefa lehibe. Milanja 2,2 kg ny akoholahy iray ao anatin’ny 10 herinandro. Nezahan’ny orinasa “LFL Madagascar” ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ny vidin’ny akoho iray indrindra fa rehefa nandritry ny varotra fampirantiana atrehan’izy ireo. Ny teny amin’ny “Tsenabe Fivoarana” andiany faharoa izay notontosaina teny Imerintsiatosika, manokana; dia nampiharin’izy ireo io fampiharana fahefa-mividy ambany io, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny orinasa “LFL Madagascar”, Randriatinarivo Mirindra.

Vous aimerez aussi