Ny “Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche” (FIA) dia hetsika lehibe eto Madagasikara izay mampivondrona ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary jono, mba hampiroboroboana ny fanavaozana, ny fifaneraserana ary ny fampandrosoana ireo sehatra ireo. Ny andiany faha-7 amin’ny FIA dia hatao ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra 2025 ao amin’ny “Centre de Conférence Internationale” (CCI) Ivato.
Hifanindran-dalana amin’ny “Foire internationale de la gastronomie” (FIG) izay andiany voalohany ny hetsika. Ny hetsika ara-tsakafo maro samihafa, ny lalao isan-karazany ary ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Samoela ny sabotsy 5 Septambra 2025 no anisan’ireo ho hita eny an-toerana mandritra ireo telo Andro ireo. Anisany mpanohana ofisialy ny “FIA” sy ny “FIG” ny orinasa “SFOI”, ny “LUCEO”, ny “STAR” sy ny “PROCHIMAD” ary ny “YAS”. Ny orinasam-pifandraisana “Yas” manokana izay hanome tolotra ireo mpanjifa tonga eny an-toerana. Ny orinasam-pifandraisana “Yas” izay efa mpanohana hatrany hetsika tahaka izao. Efa vonona tanteraka amin’ny fikarakarana ny hetsika “FIA” sy ny ” FIG”ny orinasa ‘MadaVision’ amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny orinasa “MadaVision”, Andrianasolo Hery.
