ORINASA “TECHNI-DRONES MADAGASCAR” : Nivoaka mpandresin’ny “Prix Pierre Castel”

Nandrombaka ny andiany 2025 ny “Prix Pierre Castel” tamin’ireo kandida maherin’ny 300 isa izay nifaninana ny “Techni-drones Madagascar”. Izy izay anisan’ireo orinasa niisa 6 nosafidian’ny mpitsara avy eto an-toerana mba hamelabelatra sy hizara misimisy kokoa mikasika ny tetik’asany. Nahazo fanohanana ara-bola 25 000€ avy amin’ny “Fonds Pierre Castel” mba hampivoarana sy hampiroboroboana ny tetikasany ny mpandresy.

Ankoatry ny “Techni-drones Madagascar” dia teo ihany koa ireo dimy hafa toy an’i “MADAGASCAR BIOGAZ” izay misehatra eo amin’ny famokarana sy famaritana biogaz. Nandray anjara ihany koa ny “LABEL CBD CONSULTING” izay misehatra amin’ny famaritana vahaolana ara-nomerika amin’ny fanaraha-maso ny famokarana eny Ambanivohitra. Anisan’ireo voasafidy ihany koa ity orinasa ity. Ny orinasa “CLHAS KETO” izay misehatra amin’ny famadihana sy famarotana vokatra “Cétogène” ihany koa dia anisan’ireo mpandray anjara. Ny “PRO FEED” izay fanodinana ireo fako avy amin’ny famokarana labiera ho lasa sakafom-biby. Ny “CACFA” dia misehatra manokana eo amin’ny fanolorana fanofanana sy ny fanasongadinana torohevitra teknika. Hifaninana any Abidjan-Côte d’Ivoire mba hiady ho mpandresy aty Afrika ny “Techni-drones Madagascar”. Hiatrika ny fanolorana ofisialy ny loka aorian’izay.

Hiverina ho any Abidjan – Côte d’Ivoire, indray ny volana septambra 2025, ny orinasa “Techni-drones”, mba hisolo tena an’i Madagasikara (STAR). Hiaraka hifaninana amin’ireo mpandresy avy amin’ireo firenena Afrikanina hafa ity orinasa mpandresy avy eto Madagsikara ity, amin’io fotoana io. Anisan’ireo mpifaninana amin’izany i Algérie (Castel El Djazaïr), Burkina Faso (BRAKINA), Cameroun (Boisson du Cameroun) sy Côte d’Ivoire (SOLIBRA) ary RD Congo (BRACONGO sy BRASIMBA). Aorian’io famaranana amin’ny fifaninanana io dia ho fantatra ny « Super Lauréat(e) » amin’ny “Prix Pierre Castel”. Izy io no hibata ny amboara 35 000€ sy ny fanofanana amin’ny fahazoana “Certificat” iarahana amin’ny “International Trade Center” (ITC) any Genève miampy ny fiahiana manokana ho azy, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi