OZININA STAR ANY AMBATOLAMPY : Notsidihan’ny Delegasionina manokan’ny SADC

Ny fitsidihan’ireo Delegasionina manokan’ny SADC, ny ozinina STAR, tany Ambatolampy, ny zoma 1 aogositra 2025, no namaranana ny fanamarihana ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ao anatin’ny vondrona SADC.

Fitsidihana ozinina STAR izay notarihin’ny Sekretera Mpanatanteraka Lefitry ny SADC, Angele Makombo N’Tumba. Nandritry ny fitsidihana dia naseho ireto Delegasionina maherin’ny 50 isa ireto avokoa, ny fahaiza-manao ananan’ny malagasy sy ny hatsaran’ny fitaovana indostrialy ampiasain’ny ozinina STAR. Ireo Delegasionina ireo izay nahitana mpitsidika vahiny sy solontena avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina malagasy.

Ny Ozinina STAR any Ambatolampy dia toeram-pamokarana matanjaka sy manaraka ny teknolojia. Nampiaiky ireto Delegasionin’ny SADC ireto araka izany ny nahita ireo fitaovana sy famokarana arifomba izay ananan’ny ozinina STAR hany ka nilaza ny Sekretera Mpanatanteraka Lefitry ny SADC fa ohatra tsara azo alain-tahaka eto anivon’ny faritra misy ny SADC ny ozinina STAR. Anisan’ireo ozinina 5 ananan’ny STAR ny ozinina Ambatolampy. Mitana anjara famokarana lehibe eo anivon’ny orinasa, amin’ny fanodinana ireo vokatra eto an-toerana. Toeram-pamokarana afaka manome zava-pisotro hatramin’ny 1 943 000 Hl isan-taona ihany koa ny ozinina STAR any Ambatolampy. Iray ampahatelon’ireo vokatra vokarin’ny STAR isan-taona izany vokatra izany.

Ny ozinina STAR Ambatolampy dia mamokatra ny ankamaroan’ireo zava-pisotro sitrahan’ny mpanjifa toy ny labiera, ny “panachés”, ny zava-pisotro misy gazy, ny zava-pisotro mampatanjaka, ny rano misy gazy sy ny “alcoomix”. Ny ozinina STAR izay mikasa hamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy vera, atsy ho atsy. Ity fitsidihana ny ozinina STAR tany Ambatolampy ity dia fotoana iray nifampizarana sy nifampiresahana ny fampivoarana ny indostria izay mifandray amin’ny fanodinana vokatra avy eto an-toerana sy ny ho avy amin’io sehatrasa io aty amin’ny faritry ny SADC, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi