Mba ho fanohanan’ny STAR, ny reny sy ny zaza, indrindra fa ny hetsika iadiana amin’ny fako plastika dia nanolotra fanomezana ireo reny tera-bao, ny orinasa, ny 13 aogositra 2025. Fanolorana fitaovana fikarakarana (Kit de naissance) sy “EAU VIVE” ho an’ireo reny tera-bao tao amin’ny “Clinique et Maternité Fanantenana”, no endrika nanehoan’ny orinasa STAR, izany tolo-tanana izany.
Catégorie : Samihafa
Nitsangana ny FIMA, hanohitra ny tsindry hazolena eto Madagasikara
Tsy ekena intsony ny fanararaotana ny fahosan’ny mponina an’ireo mampiasa hery ahazoana tany sy manondrana harena an-kibon’ny tany any ivelany izay arovan’ny mpitondra.
“EXCELLENCE-INSTITUT SUPERIEUR DU TOURISME ET DE L’HOTELLERIE” : Mandray anjara amin’ny “Salon de la Rentrée Universitaire”
Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Salon de la Rentrée Universitaire” izay tanterahana eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny alatsinainy 25 sy ny talata 26 aogositra 2025, ny “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hôtellerie” izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra.
“TOURISME” – “RESTAURATION-HOTELLERIE” : Manome fampiofanana arakasa momba izany ny “Acta Partners”
Ny “Acta Partners” izay “cabinet” efa nijoro ny taona 2012 teo amin’ny resaka “Tourisme” sy ny “Restauration-Hotellerie” dia manome fampiofanana arakasa. Izy ireo dia misehatra amin’ireo lafiny maro toy ny “Guide touristique” sy ny “Agent d’accueil touristique”. Eo ihany koa ny “Linger/Lingère”, “Réceptionniste”, “Femme/Vallet de chambre”, “Serveur”, “Maitre d’hotel”, “Barman” sy “Commis de cuisine” ary “Concierge”.
SEKOLY AMBONY TSY MIANKINA “EXCELLENCE” ENY FARAVOHITRA : Mampiofana amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny
Ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence-Instutit Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”, izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra, izay efa nijoro ara-panjakana nandritry ny telo taona izao dia manomana ireo tanora mpianatra na olona te handalina fahaizana amam-pahalalana amin’ ny lafiny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny…
« GRAND CONCERT EN DUO » : Anio eny Antsahamanitra ny fotoana miaraka amin’i Melky sy Firmin
« Grand concert en DUO », io no lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotanterahan’i Melky sy Firmin, ny alahady 24 Aogositra 2025, eny Antsahamanitra. Fampisehoana izay karakarain’ny « Zouk Pro ». Na ireo mpanakanto na ireo tompon’andraikitra mpikarakara dia samy mampanantena fampisehoana tsara sy mahafinaritra avokoa amin’io fotoana io.
FOKONTANY ANKADINDAMBO – AMBOHIMANGAKELY : Roso ho amin’ny asa fampandrosoana marolafy
Tsy misy asa fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fandriampahalemana. Ny fahatsapana izany indrindra no nanosika ny Filoham-pokontanin’Ankadindambo Ambohimangakely Randimbindramaro Gerard hanao ho laharam-pahamehana ny fanamafisana ny asa fampandriana fahalemana ny Tanàna.
FARITRA ANÔSY-BETROKA : Manan-karena harena an-kibon’ny tany, saingy…
Anisan’ireo faritra manan-karena amin’ny lafiny otrikarena an-kibon’ny tany toy ny vato kristaly, rubis, sns ny any amin’ny faritra Anôsy toy ny any Betroka, Amboasary ary Taolagnaro. Ny fitompolo isan-jaton’ny Mica ampiasain’ny orinasa « QMM » izay miorina any Taolagnaro dia avy ao Betroka avokoa, hoy, Randrianasolo Tantely Oberlin…
NOSY SAKATIA : Efa foana ny fifanarahan’ny orinasa Green Mada Land tamin’ny Fanjakana malagasy momba ny Nosy Sakatia ka tokony tsy hanakorontana ny mponina ao intsony ity orinasa ity
Ny didim-pitondrana laharana faha-27 227/2019-MAHTP nivoaka tao amin’ny gazetin-panjakana laharana 3028 tamin’ny 23 desambra 2019 dia nanafoana ny fifanarahana momba ny fampanofan’ny Fanjakana malagasy ny Réserve Foncière du Domaine Public d’Ampasindava-Sakatia izay antsiona matetika hoe Réserve Foncière Touristique (RFT) tamin’ny orinasa Green Mada Land (GML). Mazava izany fa tsy manaja lalàna ny hetsika rehetra ataon’ny orinasa Green Mada Land hanaovana ampihimamba io RFT ao Nosy Sakatia io.
FESTIVAL « VOASARY » ANDIANY FAHAROA : Hivelatra amin’ny Fanatanjahatena…
Hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra, hazakazaka efatra kilometatra, lalao fanatanjahatena nentim-paharazana Moraingy… Anisan’ny hampiavaka ny Andiany faharoa amin’ny Festival « Voasary » hotanterahana, ny volana Septambra ho avy izao any amin’ny Kaominina Antsatramidola Andoharano, izay miala dimy ambiny telopolo kilometatra an’ny Mandritsara.