PETRA-BOLA AZON’NY FANJAKANA TAMIN’NY ORINASA STAR : Niakatra 35% tamin’ny taona 2024

Manamafy hatrany ny toerany amin’ny maha mpisehatra stratejika azy eo amin’ny toe-karena malagasy ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fandraisan’ ny orinasa anjara mivantana amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena anatiny. Ny Star no orinasa faharoa mandoa hetra be indrindra eto Madagasikara. Mitondra tombony Ar 18.442.780.000 ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ny orinasa tamin’ny taona 2024. Io ampaham-bola azon’ny fanjakana malagasy tamin’ny petra-bola ao amin’ny Star io izay nahitana fiakarany 35% raha oharina tamin’ny taona 2023.

Tsy ny fanjakana malagasy ihany anefa no mahazo tombony eo amin’izay maha tompon’ny petra-bola ao amin’ny orinasa izay fa na ireo tantsaha malagasy ihany koa aza dia misitraka izany. Maherin’ny 19.000 ny isan’ireo tantsaha miara-miasa amin’ny Star. Izy ireo izay hampiofanina sy zaraina masomboly mba hisian’ny fidiram-bola maharitra eo amin’ny velon-tenan’izy ireo. Ankoatra ireo dia vokatra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa no vatsian’ny Star amin’ny alalan’ny famoronana asa aman’arivony. Izany no maneho fa anisan’ireo andry iankinan’ny toekarena malagasy ity orinasa miezaka manjifa ny vokatry ny tantsaha izay manaraka ny fenitra takian’ny kalitaon’ny mpanjifa ity.

Mba hitsinjovana hatrany ny fitohizan’izany vokatra miabo izany dia zava-dehibe ho an’ny orinasa Star ny fisian’ny fepetra ara-ketra afaka manosika ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny famoronana asa izay mitarika ny fampivoarana hatrany ny toe-karena. Resy lahatra hatrany ny orinasa Star fa fanalahidin’ny fampandrosoanana lovain-jafy sy fampandrosoana sitrahan’ny Malagasy rehetra ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Vous aimerez aussi