PETY RAKOTONIAINA : Nivoaka ny fonja

Navoaka ny fonja i Pety Rakotoniaina rehefa nahavita ny saziny nandritra ny herintaona tetsy Antanimora.

Ny fananganana fanjakana anaty fanjakana moa no anisan’ny fanamelohana niampangana ity filoha nasionalin’ny antoko Tambatra ity, sady anisan’ny mpitarika ny Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony (na HFI) ihany koa ny tenany.

Ny talata 16 oktobra 2018, tokony tamin’ny 5 ora hariva, no nosamborin’ny Zandary teny amin’ny Camp Robin i Pety raha nikasa hihazo an’i Fianarantsoa, rehefa niala teto an’Antananarivo.

Naverina taty an-drenivohitra ary navantana tao amin’ny Toby Ratsimandrava avy hatrany izy ary tonga teto ny alarobia, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina.

Natao araka izay haingana ny famotorana azy ary nampidirina tao am-ponjan’Antanimora ny lehilahy rehefa nahazo sazy herintaona an-tranomaizina sazy mihatra.

Vous aimerez aussi