RAHARAHAN’AMBOHITRIMANJAKA : Nitohy am-pilaminana ny hetsika

Nitohy tamim-pilaminana ny hetsika nataon’ny mponin’ Ambohitrimanjaka sy ny manodidina, ny sabotsy lasa teo, taorian’ny savorovoro nitranga ny alakamisy lasa iny.

Nifamotoana teny an-toerana indray manko izy ireo ny marainan’ny sabotsy lasa teo, ary nanohitra hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa hanorenana tanàna vaovao.

Teny avokoa ireo mponina avy amin’ny manodidina, toy ny avy any Ankadimanga Ambohidrapeto, Anosibe Zaivola, Fiombonana…’zay nanambatra ny feony amin’ny tsy fanekena ny fanotofana ny taniny, izay mahatratra an-jatony hekitara.

Mazava ny hevitry ny mponina : tsy mandà ny fampandrosoana izy ireo fa takiana kosa ny hamindrana toerana ny tetikasa Tanamasoandro.

Tsy nisy manam-pahefana ambony

Taorian’ny sakoroka nitranga ny alakamisy lasa teo dia tsy nisy tompon’andraikitra ambony avy amin’ny fanjakana intsony hita nihaodihaody teny tamin’ity andro ity. Niandry fatratra ny hidinan’ireo tompon’andraiki-panjakana anefa ny vahoaka voakasiky ny raharaha, mba hisian’ny fifampiresahana.

Sora-baventy, araka izany, no nentin’ireo vahoaka nanemitra ny fefiloha, nanehoana ny heviny. Nony ny antoandro moa dia tafapaka teny amin’ny toerana nikasana hanaovana ny tetikasa izy ireo.

Avoahy ny namanay

Na nilamina aza ny teny an-toerana nandritra izay roa andro izay dia mbola tazana teny hatrany ireo mpitandro filaminana, noho ny mety hisian’ny fihoaram-pefy, hoy ny Kolonely mpitarika azy ireo. Anisan’izany ny mety ho fanelingelenana ny fifamoivoizana, izay tsy eken’ny lalàna.
Mbola eo indrindra koa ny hafanam-pon’ireo vahoaka amin’ny fangatahany ny amoahana ireo namany izay notazonin’ny mpitandro filaminana.

Misy ny làlana

Misy ny fepetra tokony hatao amin’ny fakana tany tahaka izao, hoy ny mpahay lalàna. Noho ny tombontsoa iombonana dia azo ekena avokoa ny fanalana ny olona amin’ny tany, kanefa misy dingana tokony hatao izany, dia ny fanadihadiana ireo mponina voakasika. Aorian’izany no misy ny famoahana didim-panjakana amin’ny fanesorana olona tahaka izao. Rehefa tsy tanteraka izany dia tsy ara-dalàna ny fanalana ireo olona. Azo atao, araka izany, ny mitory eny anivon’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) sy eny amin’ny Cour Pénale Internationale.

Ajanony aloha ny tetikasa

Niray feo kosa ireo filohan’ny andrim-panjakana vitsivitsy, toy ny Filohan’ny Antenimierandoholona, notronin’ny avy amin’ny Filankevitra misahana ny fampihavanam-pirenena, ny Komity misahana ny Zon’Olombelona, ny amin’ny tokony hanajanona ity tetikasa ity aloha satria tsy ampy loatra ny dinika sy ny serasera tokony hisy eo amin’ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa sy ny fitondram-panjakana.

Vous aimerez aussi