RAHARINIRINA VIVIANE : Namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky voalohany “Batir L’espoir”

“Batir L’espoir” na ny hoe: “Manangana fanantenana”, io no boky voalohany nosoratan’ny mpanoratra Raharinirina Viviane. Boky izay navoakany tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 5 septambra 2025, teny Anosy. Ny alatsinainy 1 septambra 2025 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy izany tany ampitan-dranomasina. Vontoain’ity boky ity ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny fanoratana ireo olana ara-tsosialy maro mitranga eto Madagasikara. Tranga izay miseho indrindra any amin’ireo toerana tsy voaresaka loatra toy ny any amin’ ireo faritra iva. Voasongadina ao amin’ireo toko miisa 20 ao anatin’ny boky izany izay samy manana ny lohahevitra iompanany avy. Anisan’izany ny manodidina ny olana ara-tsosialy eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny tanora. Asongadin’ity boky ity araka izany fa na maro aza ireo olana ara-tsosialy eto amintsika dia mampahery ireo vehivavy sy ireo tanora mba hiezaka amin’ny fiainana ka tsy hanana ahiahy ihany koa amin’ny ho aviny. Manome fanantenana ny rehetra araka izany ity boky ity. Tanjona ny hametraka dindo ireo olana ara-tsosialy nitranga tany amin’ireo faritra iva eto amintsika. Vina apetraka ny haitaky sy ny ady sisika amin’ny fitondram-panjakana mba hijery izany andavanandrom-piaianan’ny tsirairay izany. Mahatratra 250 ny isan’ireo boky natonta tamin’izao famohana ny andiany voalohany tamin’ny fomba ofisialy izao. Izy io izay azo jifaina amin’ny vidiny Ar 60.000. Amin’ny farany taona 2025 dia efa hamoaka ny boky faharoa indray ny mpanoratra. Boky andiany miisa efatra no voasoratry ny mpanoratra hatramin’izay ka hatramin’izao.Miandry ny fotoana hamoahana izany amin’ny fomba ofisialy sisa ny mpanoratra amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi