RAMATOA BENEDICTE : Mikarakara lehilahy malemy hozatra sy maty filahiana

Saika 50% ny lehilahy maty hozatra na “impuissant” sy malemy filahiana no voakarakaran-dRamatoa Benedicte. Io mitsabo lehilahy io no asa manavanana an’ity ramatoa mpitsabo ity. Araka ny fanazavana voaray, dia efa ho 25 taona izay no nanao io asa io izy. Arakaraky ny fisehoan’ny aretina kosa no maha ela ny fitsaboana, raha toa ka voan’ny diabeta ilay lehilahy. Telo volana raha ela indrindra ny fitsaboana io filahiana io, hoy izy. Ankoatra ny mamelona hozatra malemy dia afaka manalehibe filahiana ihany koa io ramatoa Benedicte io. Voalazany, fa misy karazany ny tranga tonga ao aminy. Misy lehilahy manao firaisana amin’ny vadiny, fa tsy velona ny filahiana. Lasa miteraka ady eo amin’izy mivady io. Misy ny lehilahy nosomparan’ny olo-tiany, ka tsy afaka miray amin’ny vadiny ilay rangahy, raha tsy aminy ihany. Araka ny nambaran’ity mpitsabo ity hatrany, dia tsy voatery ho aretina diabeta no tsy mahavelona filahiana, fa mety havizanana. Misy ny fanafody mifandraika sy fikarakarana izany, hoy izy.

Manangeza filahiana

Araka ny fanazavan’io mpitsabo io, dia amin’ny alalan’ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fanahy masina no hitsaboany, izy ireo manoro sy mampianatra azy, ka ahafahany mitsabo ny aretina malemy hozatra sy manalehibe filahiana. Izaho ihany no manome fanafody sy ny fatra izay milà arahina tsara. Misy kosa ny fanaraha-maso aorian’ny fitsaboana. Raha ny fanazavana nentiny dia aretina mpahazo ny lehilahy rehetra ny aretina malemy hozatra sy maty filahiana. Na efa nahazo taona, na tanora na efa lehibe dia tratran’io aretina io avokoa. Antony maro no mahatonga io aretina io, ka isan’izany ny diabeta, ny ody ratsy mety hataon’ny olona, ny fisotroa-toaka be loatra.

Azo sitranina

Amin’ny ankapobeny, raha ny tatitra nataony dia mora sitranina io aretina io, raha tsy hoe voan’ny diabeta ilay rangahy. Milà jerena sy zahana tsara ny fototry ny aretina izay vao miroso amin’ny fitsaboana. Ohatr’izay ihany koa ny lehilahy te hanalehibe filahiana, dia jerena hoe inona ny olana sy ny aretina. Raha sendra misy aretina dia tsaboina aloha ary esorina raha sanatria ka misy ilay ody ratsy. Miakina amin’ny toe-batan’ilay rangahy kosa ny fitsaboana. Misy voatsabo ao anatin’ny herinandro ka hatramin’ny 1 volana. Fa misy sarotiny dia maharitra eo amin’ny 2 na 3 volana eo. Voalazany hatrany, fa misy fetrany ny fanalebiazana filahiana. Hatramin’ny 2 sentimetatra eo ihany ny sakany sy ny halavany, hoy izy. Misy ny fanadiovana voalohany, atao miaraka amin’ny fitsaboana. Voalazany, fa milà manaraka ny torohevitra rehetra raha te hahatratra ny tanjona vetivety.

Maro no nahita tombotsoa

Raha ny tatitra nataony, dia efa betsaka ireo tanora na lehilahy na lehibe no nigoaka izany, dia izy ireny indray no manoro ireo akama sy namana ary mpiara-miasa izay malemy hozatra na te hanalehibe filahiana. Tsy filahiana ihany no tsaboan’ity ramatoa mpitsabo io, fa mitsabo ireo olona voan’ny lafika, fiandry, ambalavelona, voankanina, fandika, mikarakara vehivavy tsy miteraka, sompatra hataon’ny olona, mosavy, ody ratsy, covid19, fery tsy mety sitrana, olana sarobahana, sns izy, raha ny fanazavany. Ao amin’ny EPP Tsarahonenana no misy azy ary 034.09.017.14 na 033.19.603.47 no ahazoana an’ny ramatoa Benedicte.

Vous aimerez aussi