RANDRANA SENDIKALY : Manatevin-daharana ny hetsika “Leo délestage”

Anisan’ireo namaly ny antso ka tonga manatevin-daharana ny hetsika madio sy am-pilaminana “Leo délestage” izay tanterahina anio alakamisy 25 septambra 2025, eny Ambohijatovo, ny Randrana sendikaly. Hitaky ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena izay zo fototra ilain’ny mponina eo amin’ny andavanandrom-piainany dia ny jiro sy ny rano ireto avy amin’ny olon-tsotra sy fikambanana ary sendikan’ny mpiasa ireto.

Handroso vahaolana ho an’ny fitondram-panjakana ihany koa satria tsy manana izy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao na efa maro aza ny fampanantenan’ny fitondram-panjakana nandritra izay taona maro nitondrany ny firenena izay. Fandaniana goavana tsy nahitam-bahaolana no nisy teo anivon’ny orinasa Jirama hany ka hitondran’ny fitondram-panjakana fanampiana amin’ny alalan’ny tetibola manokana avy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hatrany ity orinasa ity. Mila hampahafantarina ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’izao hetsika izao araka izany izay marary ny vahoaka.

Ny maika no tokony hijerena vahaolana fa tsy ireo zava-dehibe izay mbola afaka miandry ny fanatanterahana izany aoriana. Ny famahana ny olan’ny jiro sy ny rano eto Madagasikara izay tokony hiraisana saina ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny olon-drehetra na olom-boafidy na olom-pirenena mba hanairana ny fitondram-panjakana fa tsy tokony hijerena mpanohitra na mpitondra fanjakana, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Rakotomanga Barson.

Vous aimerez aussi