Mbola miteraka resabe eo amin’ny tontolo politika, indrindra eo anivon’ny mpanohitra, ny fihaonan’ny Filoham-pirenena roalahy teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, tao Parisy, ny faran’ny herinandro teo. Indrindra moa ny nisian’ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo.
Nisy mantsy ny tsikera niombonan’izy ireo ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana Ben’ny Tanàna farany teo sy ny halatra samihafa manodidina izany.
Raharaham-pirenena
Ankoatra izany dia nisy ny diniky ny roa tonta nijerena manokana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, izay mampiahiahy azy ireo, ka nitsikerana ny Fitondrana ankehitriny sy ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (na ny CENI).
Nambaran’izy mirahalahy ireto koa ny fandeferany, nandritra ny fifidianana tamin’ny taona 2018 ireny, mba hisian’ny fitoniana ka hiheverany izay tena fampandrosoana ataon’ny mpitondra vaovao. Saingy feno ny kapoaka, hoy izy ireo ankehitriny, ka tsy maintsy mivoaka amin’ny fahanginana.
Tsy resy izahay, hoy izy, saingy nangina mba tsy hisian’ny fifandonana. Mbola tsy levon’ny Filoha teo amperinasa, kandidàn’ny Hery Vaovan’i Madagasikara, Hery Rajaonarimampianina ny taham-bato azony, izay 8,82 % monja ka tsy nahatafakatra azy hanao ny fihodinana faharoa akory.
Ho an’ny kandidàn’ny TIM, Marc Ravalomanana kosa dia tsy mandry ny saina amin’ny elanelam-bato 526.091 nandresen-dRajoelina azy.
Be ny hosoka
Ankoatra ny tsy fahalavorarian’ny lisi-pifidianana teo sy ny fisian’ny kara-panondro sandoka maro dia notsikerain’ireto Filoha teo aloha ireto ihany koa ny hosoka samihafa nandritra iny fifidianana Ben’ny Tanàna iny, ka nametrahan’izy ireo fitarainana eny amin’ny Fitsarana mahefa.
Manoloana izany no itakian’izy ireo ny zon’ny vahoaka malagasy ary ametrahany ny fahatokiana ny Fitsarana eto an-toerana mba hitsara araka ny tena fahamarinana.
Nantsoin’izy ireo ihany koa ny vahoaka mba hanana firaisankina ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Nanainga ny vahoaka
Mialoha ny hihazoany ny renivohitr’i Frantsa moa dia nitaona ny olona mpomba azy hivory tetsy amin’ny foiben-toerana, etsy Bel’Air , ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, mba hanakiana ny valim-pifidianana. Toa tsy dia nahomby anefa aloha ny antso nataony hatreto. Asa izay mety ho herin’ny fihaonan’ny roa tonta any ivelany any. Any ivelany izay fantatra ihany koa fa hihaonan’izy ireo amin’ireo mpiray tanindrazana tsy mankasitraka ity Fitondrana ity, ka hanongana amin’ny fomba rehetra ny fitondran-dRajoelina.
Andrasana, noho izany, izay mety ho tohin’ity fiombonan-dRavalo sy Rajao manohitra an-dRajoelina ity. Heverin’ny mpanara-baovao politika maro fa miketrika zava-dehibe ao Frantsa ao izy mirahalahy ireto. Andrasana ihany koa izay mety ho valin-tenin’ny Fitondrana ankehitriny, manoloana izao fihetsika izao.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.